♦ Nitaky ny hamoahana ny vatsim-pianarana efa-bola miampy ny vola fampitaovana toa ny an'ireo mpianatry ny oniversite hafa nanao fitakiana ka nahazo valiny, omaly alina ny mpianatra teny Vontovorona... ♦ Olana eo amin'ireo vitsy an'isa miady amin'ny fitantanana ny harem-pirenena, no misy eto Madagasikara, hoy i Dama ao amin'ny tarika Mahaleo...

Alarobia 3 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 17-28

♦ Mitohy ny fitetezam-paritra ataon'ny vadin'ny Filoham-pirenena hanamarihana ny andron'ny 8 marsa. Namboly anananambo 3.000 fototra tany Belalanda Toliara II, androany Ramatoa Mialy Rajoelina... ♦ Manainga ny fanjakana sy ny mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola, hametraka tahirim-bola manokana ho an'ny tantsaha mba hiatrehana ny valan'aretina Covid-19 sy ny fiovan'ny toetr'andro, ny Fivondronamben'ny Vehivavy Tantsaha Malagasy...

Modely ho antsika rehetra i Masindahy Josefa amin'ny fahamarinany sy ny fahanginany. Lehilahy marina izy noho izy tsy nivadika tamin'i Maria. Tsy hay tohaina ny fitiavany an'i Maria. Tsy te hanala baraka ny vadiny izy ary noraisiny tsy am-pisalasalana ny iraka nankininan'Andriamanitra taminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...