♦ Niroso tamin'ny fisamborana ireo tsy manaja ny fepetra isorohana ny fihanaky ny Covid-19 ny mpitandro ny filaminana tao an-drenivohitra... ♦ Nitokona nanomboka androany ireo mpianatra ho mpitsabo ao amin'ny taona fahafito sy fahavalo eny amin'ny HJRA... ♦ Hotanterahina amin'ny alarobia ny fifidianana ireo mpikambana handrafitra ilay vaomiera manokana handinika ny fanenjehana ireo mpitondra ambony...

♦ Ezaka iombonana ny ady amin'ny Coronavirus, mitohy ny fampiharana ny fepetra mifandraika amin'izany, manerana ny Nosy... ♦ Tsy fantatra mazava hatramin'izao raha toa ka hisy fanovana na tsia ny daty ho an'ireo fanadinam-panjakana... ♦ Naotin'ny Ministeran'ny Asa : miato vonjy maika amin'ny asany ireo mpiasam-panjakana marefo ara-pahasalamana...

Nofaranan’i Papa François tamin’ny fanentanana hivavaka ho an’i SYRIE sy ny ankizy any YEMEN ny vavaky ny Angélus, teo amin’ny Kianjan’i Masindahy Piera, omaly alahady.

♦ Anisan'ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny Filankeitry ny Ministra tamin'ny sabotsy teo ny fametrahana ivon-toerana vaovao eny amin'ny Tanana Voara Andohatapenaka... ♦ Niampy roa indray ireo olona namoy ny ainy vokatra ny valan'aretina Coronavirus teto Madagasikara... ♦ Nanohana an'i Madagasikara avokoa ireo firenena rehetra nivory teo anivon'ny SADEC, ny amin'ny fitakiany ireo Nosy malagasy...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...