Alarobia 16 desambra 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 19-23 — Tongava, ry Tompo, ary aza ela : vahao ny fatoran’ny vahoakanao.
♦ Natomboka androany teny Ankorondrano ny andron'ny tomban'ezaky ny politikam-pirenena momba ny fampandrosoana... ♦ May androany ny tanànan'i Nato any amin'ny distrikan'i Vohipeno, faritr'i Vatovavy Fitovinany, miantso vony ny mponina noho ny fahavoazana... ♦ Namoaka tatira ny sampan-draharahan'ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana fa tsy ampy sy tsy zarizary ny famatsian-drano ho an'ny iray ampaha-efatry ny toeram-pitsaboana maneran-tany...
♦ Fifanatrehan'ireo solombavambahoaka sy ireo ministra, etsy amin'ny CCI Ivato : anisan'ny tena itarainan'ireo solombavambahoaka ny tsy fandriam-pahalemana... ♦ Volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2021 : kasaina hahena hatrany amin'ny 20.000 Ariary ny fatana gazy ary ahidina ho 5% ny hetra alaina amin'ny fivarotana gazy... ♦ Fitsaràna miaramila : tsy misy fanasaziana na fanaboridanana olona hoy ny ministeran'ny fiarovam-pirenena...
♦ Fandinihana ny antontantaratasin'ireo mpitondra ambony : tsy tontosa hatramin'ny farany, tsy feno ny fetrisan'ireo solombavambahoaka tonga nivory... ♦ Tetikasa goavana ao amin'ny Nosy Mitsio, avaratr'i Nosy-be : nandefa taratasy misokatra any amin'ny filoham-pirenena, mangata-panazavàna mikasika io tetikasa io ny fiaraha-monim-pirenena... ♦ Namafisin'ireo mpifidy vaventy ny fahalanian'ny kandidà Joe Biden, filoha amerikàna faha-46...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco