♦ Hifanatrika mivantana amin'ny Solombavambahoaka anio tolak'andro ireo mpikambana sasany ao amin'ny Governemanta... ♦ Manamafy ny fitakiany hisian'ny tena mangarahara amin'ny fomba fampiasana ny teti-bola iadiana amin'ny Coronavirus eto amintsika ny fikambanana maro anatin'ny firaisa-monim-pirenena... ♦ Misy amin'ireo mpitatitra no mitsipaka marin-drano ny hiantohany ilay "gel désinfectant" ...

 Tsy afaka haharitra ny hiakan’ny tany sy ny antsoantson'ny mahantra, hoy ny Papa François, manentana antsika hanamarika ny herinandron’ny « Laudato Si’ » ny 16 ka hatramin’ny 24 mai 2020. Amin’io fotoana miavaka io, hiombom-po ny katolika eran’izao tontolo izao, handalina, hivavaka, miaraka hanomana ny hoavy tsara kokoa.

♦ Nitombo 15 indray ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara, raha ny vokatry ny fitiliana vita omaly tontolo... ♦ Nivahiny tamin'ny fahitalavitra iraisam-pirenena France 24 sy RFI omaly ny Filoham-pirenena Malagasy... ♦ Hozaraina bokikely famintinana lesona sy hanaovana fampiharana ireo mpianatra amin'ny sekoly ambaratonga faharoa manerana an'i Madagasikara...

Talata 12 mey 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 27-31 — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona, ary hiditra amin'ny voninahiny.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...