Fanentanana ny olon-drehetra amin'ny fandraisana andraikitra hiaro ny zaza tsy ampy taona sy ny olona marefo manoloana ny loza mety hahazo azy ireo indrindra "ny fanolanana na herisetra ara-nofo". Manomboka amin'ny ray aman-dreny ny fanabeazana amin'ny alalan'ny fifampiresahana sy fampahafantarana azy ireo ny atao hoe herisetra, mba hahafahan'izy ireo miaro tena ary indrindra mizara amin'ny ray aman-dreny...

Zoma 13 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 26-37 — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fa amin’ny asany rehetra.

Mirongatra ny doro tanety sy ny doro ala amin'ny faritra maro eto amintsika, misy fiatraikany ratsy raha tsy hiteny afatsy ny fahaloton'ny rivotra. Ny taona 2018 sy ny 2019 no tena nirongatra ny doro tanety sy doro ala fa tamin'ity taona 2020 ity dia nihena ireo famaizana. Politika nasiônaly: fanabeazana sy fametrahana lalàna...

♦ Hahazo oram-baratra anio ny faritra maro eto amin'ny nosy indrindra ny eto afovoan-tany. Oram-bratra hitohy hatramin'ny faran'ny herinandro... ♦ Hitarika voka-dratsy amin'ny toe-karena eto Madagasikara hoy ny filohan'ny CSI ny fandanian'ny parlemanta malagasy ny lalàna mampihena ny fahefan'ny tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly na ny PAC... ♦ Nanomboka nanendry izay ho mpiara-miasa aminy Andriamatoa Joe Biden filoha vaovao any Etazonia... 

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...