19 jona 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-42)
Misy manda lehibe roa miaro antsika kristiana dia ny tenin'Andrimanitra ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao ; ary eo ihany koa ny Sakramenta fito. Misongadina amin'ireo Sakramenta fito : ny Eokaristia sy ny Sakramentan'ny filaharana. Tsy misy ny atao hoe "krizy" eo amin'ny fiainan'ny Eglizy fa ny olona tsirairay no tsy mahatsapa ny hasin'ny tenany, aina, fo amam-panahy, tanindrazana, ary ny hasin'ny tontolo iainana.
Soa ho an'ny olombelona ny voahary satria mitondra hafaliana sy filaminan-tsaina, mitondra fahasalamana. Ny ankamaroan'ny fananana dia nolovaina tamin'ny ray aman-dreny ka tokony ho tandrovana fatratra, midika ho fanajana ny ray aman-dreny nisasatra izany. Tsy anananao ny fahefana handringana na hivarotra fa mampiasa azy tsara dia mioty ny vokatry ny hasasasaranao eo no azonao atao. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
18 jona 2023 — Alahady Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 36 — 10, 8)
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco