Ny fiadanana tian'i Jesoa ampanjakaina eto an-tany dia ny fampahalalana izany atao hoe lanitra izany. Ny lanitra tiana ho lazaina dia ny fisian'Andriamanitra eo amin'ny fiainan'ny olombelona ; Andriamanitra manjaka eo amin'ny fianana ; olombelona matahotra an'Andriamanitra amin'izay ataony rehetra ka miezaka manaja ny hafa ary ny natiora, manampy antsika ho sambatra. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc. 

Zoma 24 febroary 2023 — Zoma, manaraka ny Lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-15)

♦ Nahatontosa ny atrik'asa fandravonana entina hiatrika ny Sinaody momba ny "Eglizy miara-dia", eo amin'ny dingana kaontinantaly, ireo solontenan'i Madagasikara... ♦ Mitaky ny hisian'ny solontenan'ny mpanao pôlitika ao anatin'ny CENI, ny vondrona Panorama, raha nifamory teny Soarano... ♦ Misy tsy firindrana ny fitantanana ny rano any amin'ny lakan-dranon'i Dabara, any Morondava. Mpamboly 3000 eo no mitaraina ho tsy ampy rano hambolena, ka nanome fe-potoana hitadiavam-bahaolana, hatramin'ny faran'ny volana marsa izao...

♦ Namafisin'ireo solombavambahoaka miisa 28 nanao sonia ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta farany teo fa tsy mifanraka amin'ny lalàna ny nampiatoana izany. Nanatitra fitoriana any amin'ny Filan-kevitra ambony ho fiarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna indray izy ireo... ♦ Hifampiarahaba noho ny fahatratrarana ny taona voavao ao Antananarivo renivohitra ny antoko Tiako i Madagasikara rahampitso. Eny Tanjombato kosa no hanaovana ny lanonana amin'ny sabotsy ho avy izao ho an'Antananarivo-atsimondrano... ♦ Hikarakara fifaninana ho an'ireo tanora mpandraharaha avy amin'ny Faritra 23 ny federasiônan'ny antenimieran'ny varotra sy ny indostria sy ny orinasa mpiara-miombon'antoka aminy...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...