Natao hitandro ny hasin'ny fiaraha-monina ny kristianina, satria izy ireo no fanasin'ny tany. Misy fitsipika mifehy ny fiainana kristianina mba hahafahana manamasin-tena.
Fandalinam-pinoana momba ny finoana kristianina, miaraka amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Arsidiosezy Antananarivo.
Nampihatra fomba fambolena voatabia nohatsaraina, ahazoana vokatra haingana ao anatin'ny fotoana fohy ary mandava-taona, mampihena ny vola mivoaka amin'ny fividianana masomboly ny fikambanana Lanja Miakatra...
♦ Tontosa androany maraina, tety amin'ny tranon'i Don Bosco ety Ivato, ny fifanaraham-piaraha-miasa hampiroboroboana ny sehatry ny asa tanana. Nanome voninahitra izany, ny Minisitra Ramatoa Ratsiraka Sophie... ♦ Hotanterahana ny 16 ôktôbra ho avy izao ny fifidianana ireo mpikambana vaovao handrafitra ny holafitry ny mpanao gazety, eto Madagasikara...
Mampivelatra ny sain'ny tanora ny fampiasàna ny talentany, anisan'izany ny slam. Mampiroborobo ny maha-olona sy ahafahana maneho ny hevitra sy ny fahaizana amin'ny alalan'ny teny, ny soratra sy ny fikarohana. Manentana ny tanora hikaroka sy hampiasa ny talenta ao anatin'ny kolotsaina sy ny soatoavina...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco