Sabotsy 8 mey 2021 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 18-21
♦ Nihemotra ho rahampitso ny fahatongavan'ireo daozim-bakisiny andiany voalohany, hiadiana amin'ny Coronavirus eto amintsika. Vakisiny 250.000 no tokony ho tonga amin'izao andiany voalohany izao... ♦ Efa nihoatra ny 700 nanomboka androany ireo matin'ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara. Niampy 304 ihany koa ireo tranga vaovao hita tamin'ireo fitiliana, raha ny antontan'isa nivoaka androany...
Nandray anjara tamin'ny fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny fanavotana ny olombelona i Md Jozefa. Nanaraka an-tsakany sy andavany izay nolazain'Andriamanitra azy izy tamin'ny fanohanana an'i Maria amin'ny fanabeazana an'i Jesoa.
Miaka-bokatra ny Jeneraly Rabemanantsoa Robert amin'izao volana mey izao, na dia niara-nisedra olana tamin'ny tantsaha rehetra noho ny tsy fisian'ny rano teny an-tanimbary aza izy. "Ketsa saraka" no nampiasaina, izay izy rahateo no nikaroka azy.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco