♦ Tafakatra F10 ireo olona maty vokatry ny orambe nikija tany amin'ny Distrikan'Ikongo omaly alahady araka ny tatitry ny solombavambahoaka Razafitsiandraofa Jean Brunelle, androany... ♦ Tratran'ny zandary tany Toamasina androany ny vary simba 3 kaontenera izay saika ho diovina any Mahajanga... ♦ Niverina an-tsekoly nanomboka androany ny mpianatra rehefa avy niatrika fialan-tsasatra... ♦ Maherin'ny 160 hatramin'izao ny isan'ireo namoy ny ainy vokatry ny horohoron-tany nitranga tany Japon ny fiandohan'ity taona ity...
♦ Andalam-pandinihana ankehitriny ny fanovàna ny fehezan-dalàna famaizana momba ny fanolanana. Mitarika izany ny Ministeran'ny Fitsaràna... ♦ Mila hamafisina ny fitandroana ny filaminana amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy raha tiana ho tratra ny fanamby napetraka amin'ny fizahan-tany eto Madagasikara. Efa miarindoha tsikelikely mantsy ity sehatra ity taorian'ny fandalovan'ny Covid... ♦ Nitohy tao amin'ny distrikan'i Marovoay, Faritra Boeny ny fizaràna hanam-pamokarana ataon'ny Mnisteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ho an'ny tantsaha, tohana atao amin'ny alalan'ny tetik'asa PURPA... ♦ Hivahiny any Arabie Saoudite sy Israel anio hariva ny lehiben'ny diplômasia amerikana Antony Bliken, mikasika ny ady "israely-palestina"...
♦ Mila fihaonan'ireo mpisehatra rehetra voakasika ny fampiakarana ny saran-dalàna, isan'izany ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa hoy ny filohan'ny PMH, Andry Vola Razafindralambo... ♦ Hiatrika ny tapany fahatelo amin'ny taom-pianarana indray ny mpianatra rehetra manerana ny nosy manomboka androany. Misedra olana amin'ny fanarahana ny fianarana nefa ireo mpianatra any amin'ny toerana lavitra andriana amin'ny fotoam-pahavaratra toa izao... ♦ Mila paik'ady matotra ny fananganana firenena matanjaka sy vanona hoy ny filohan'ny antoko TIM, Marc Ravalomanana ny faran'ny herinandro teo... ♦ Telo volana omaly ny ady eo amin'ny Hamas Palestiniana sy ny tafika Israeliana...
♦ Manahy ny fivangongoan'ny fahefana amin'ny filohan'ny Repoblika amin'ny fanendrena ny mpikamban'ny governemanta ny KMF/Cnoe... ♦ Tsy nanomana ireo izay hiara-hiasa aminy hitantana ny firenena ny filohan'ny Repoblika matoa mbola handray "CV" sy hitsapa ny fahaizan'ireo izay te ho ministra ao amin'ny governemanta, hoy ny antoko Humaniste Ecologiste... ♦ Nisy nandroba ny fiangonana EKAR Saint Jena de Matha Andranomadio, Diôsezy Tsiroanomandidy ny alarobia teo... ♦ Mitaky onitra mitentina 370 tapitrisa Dolara amin'ny filoha Amerikana teo aloha, Donald Trump ny fanjakàna any New York - Etazonia, noho ny ambaran'izy ireo fa nanao osoka ara-bola ity filoha amerikana teo aloha ity...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco