♦ Manahy ny "cellule diovy i Madagasikara" fa tsy hanam-bola hikarakaràna ny fifidianana amin'ny 29 mey ny Fanjakàna. Mety miandry famatsiam-bola ny fitondràna vao hamoaka ireo fari-pifidianana sy ny isan'ireo solombavambahoaka hofidiana hoy izy ireo... ♦ Nivoaka ny lisitr'ireo mpikambana vaovao eo anivon'ny Filan-kevitra ambony miaro ny Demôkrasia sy ny tany tan-dalàna na ny HCDDED. Miisa 8 ireo mpikambana ao, araka ny didim-panjakàna mitondra ny datin'ny 6 marsa lasa teo... ♦ Mpibata entana aman-jatony eo anivon'ny seranan-tsabon'ni Toamasina no ahiana hiala maina, fa tsy handray fisotron-dronono. Nandefa taratasy fitakiana momba izany any amin'ny tale jeneraly vaovaon'ny CNaPs ny Randrana Sendikaly...

♦ Tsy voahaja ny voalazan'ny lalàna ny amin'ny tsy mbola namoahana ny didim-panjakàna mamaritra ny isan'ireo solombavambahoaka sy ny fari-pifidianana, manoloana ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey, hoy ny Sampana Fanaraha-maso Safidy... ♦ Nampahafantarina omaly ireo kandidà 20 andiany voalohany avy amin'ny antoko TIM; hirotsaka anatin'ny Vovonana Firaisan-kina, amin'ny fifidianana solombavambahoaka. Nisy ny fifandeferana tamin'ny fisafidianana ireo kandidà, hoy Andriamatoa Marc Ravalomanana... ♦ Manomboka miha-maro ireo mankalaza ny taom-baovao  Malagasy. Mahavelombolo ny zava-misy satria efa manomboka manome lanja ny kolontsainy ny Malagasy hoy ireo mpandala ny fomban-drazana...

♦ Maro ireo hetsika nankalazana ny Taom-baovao Malagasy, na dia andro fiasana aza ny androany... ♦ Misy amin'ireo Solombavam-bahoaka TIM am-perinasa ankehitriny, no tsy tafiditra ho kandidà atolotry ny Firaisankina... ♦ Mitana ny laharana faha-14 amin'ireo firenena maneran-tany, izay ahitana zazavavy miroso amin'ny fanambadiana mialoha ny faha-18 taonany, i Madagasikara...

♦ Kendrena ny 40% amin'ny vahoaka Malagasy no hahazo karan-tany eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny filohan'ny repoblika tany Toamasina. Tsy azo ekena ny fangalarana ny tanin'ny vahoaka Malagasy hoy izy...♦ Hihena be ny fahata-pahan-jiro lavareny eto Antananarivo sy ny manodidina afaka volana vitsy, raha ny nambaran'ny tale kabonetran'ny ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo... ♦ Ho tanterahina ny 25 hatramin'ny 28 avrily ho avy izao ny tsenaben'ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy, na ny FEPA andiany faha-16... ♦ Nody mandry omaly i Kalid Batarfi lehiben'ny AQPA any Yemen... Niroso tamin'ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana i Portugal omaly...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...