♦ Nitombo 7% ny isan'ny kandidà mirotsaka ho fidiana ho Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin'ny 11 desambra 2024, raha mitaha amin'ny antontan'isa tamin'ny fifidianana eny anivon'ny kaominina, ny taona 2019... ♦ Tafiditra anatin'ny fampivoarana ny famokarana eny ambanivohitra ny tetikasa Ankohonana Miarina. Efa vonona ny anam-pamokarana sy ny fitaovam-pamokarana ho an'ireo misitraka ny tetikasa, hoy ny ao amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana... ♦ Velon-taraina ireo mpampiasa lalana ao Manakara noho ny fahatapahan'ny tetezana mpampitohy ny Fokontany Takidy sy Ampilao...
♦ Hivoaka anio ny lisitr'ireo kandidà ben'ny tanàna sy mpanolontsaina afaka hifaninana amin'ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao. Ho hita amin'ny tranokalam-pifindraisan'ny CENI foibe izany... ♦ Nifarana ny fotoam-piasàn'ny PDS-n'Antananarivo, Harilala Ramanantsoa, noho izy nirotsaka ho fidiana ben'ny tanàna. Nanao tatitry ny asa vitany nandritra ny iray volana izy, omaly... ♦ Fianakaviana 7 no nisantatra ny famindran-toerana ireo tokan-trano marefo ara-pivelomana any Fieferamanga Arivonimamo. Famindran-toerana, tafiditra anatin'ny tetik'asa Ankohonana Miarina... ♦ Olona 70 farafahakeliny no maty tany afovoan'i Haïti, vokatry ny fanafihana nataon'andian'olona mirongo fiadiana...
♦ Mis tsindry atao amin'ireo solontenam-panjakàna amin'izao fifidianana izao. Manahy izy ireo fa hafindra toerana, raha tsy lany ny kandidàn'ny fitondràna, hoy ny KMF/Cnoe... ♦ Niravona ny disadisa anatiny teo anivon'ny Vovonana Firaisan-kina. Niezaka nifandamina izy ireo, nandritra ny fivorian'ireo mpitarika teny Faravohitra, omaly... ♦ Manao antso amin'ny fitondràna mba tsy hanaraka ireo fepetra napetraky ny mpamatsy vola, hampiakarana ny vidin-jiro sy ny vidin-tsolika ny SSM. Nanao fanambaràna momba izany izy ireo... ♦ Mbola mitohy foana ny fifanandrinana eo amin'ny Israelina sy ny Hezbollah libanais...
♦ Manahy ny amin'ny mety hamindrana toerana azy ireo, noho ny tsy fahalanian'ny kandidàn'ny mpanoha fitondrana, ny ankamaroan'ny solotenam-panjakana, hoy ny KMF CNOE androany... ♦ Niezaka nadamin-dresaka teny Faravohitra androany, ny Vovonana Firaisankina, tao aorian'ny tsy fitovian-kevitra nivoaka imasom-bahoaka, manoloana ny fanohanana ny kandidà Rakotovao Rivo... ♦ Miantso ny fitondram-panjakana mba tsy hanaraka ireo fepetra apetraky ny mpamatsy vola vahiny ny SSM, satria hitarika olana goavana eto amin'ny firenena izany...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco