♦ Andrasana ao anatin'ny fikaonandoham-pirenena ho an'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ny fomba hitantanana ireo tahirin'andramena hoy ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika, Randrianirina Michaël... ♦ Nankalaza ny andro maneran-tany iadiana amin'ny fanararaotana mamoafady mihatra amin'ny ankizy, ny fikambanana ECPAT 360. Nisy ny fanentanana natao tamin'ny mpianatra teny amin'ny Lycée Saint Michel Itaosy... ♦ Nihaino ny fitarainan'ny mpanao gazety ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina ka nilaza fa hamoraina ny fikarakaràna ireo antontantaratasy ilaina hangatahana ny mari-boninahi-pirenena...

♦ Fiaraha-miasa mamaly n filan'ny vahoaka hiadiana amin'ny fahantrana sy ny fahasahiranana no tokony hapetraky ny mpitondra hoy ny Antoko Otrik'afo. Tokana ny fahavalon'ny Malagasy hoy Andriamatoa Elia Rabevahiny dia ny fahantrana... ♦ Natokan'ny Liberty 32 hanomezan-danja ireo tanora amin'ny fandraisana andraikitra ny tetik'asa DRIVE. Maro ireo tanora avy amin'ny Faritra samihafa no misitraka ity tetik'asa ity... ♦ Mandray ny fanamarihana ôfisialy ny andron'ny "8 marsa" amin'ity taona ity Antananarivo renivohitra. Natomboka tamin'ny fotoam-bavaka iraisam-pinoana tao amin'ny Lapan'ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina izany, ny maraina teo...

♦ Nanakinan'ny fitondrana ny andraikitra ho lehiben'ny Faritra mpisolo toerana ao Fitovinany nandritry ny filan-kevitry ny ministra natao omaly ny solombavambahoaka teo aloha, Razafitsiandraofa Jean Brunel... ♦ Nanatevina ny andian-tafiny any Moyen-Orient i La Frantsa. Fanambaràna nataon'ny Filoha Frantsay Andriamatoa Emmanuel Macron tamin'ny vahoaka frantsay manoloana ny ady misy any ankehitriny... ♦ Tanora Gen Z : mizotra mankany amin'ny lalana tsy izy ny fanavaozana nimatimatesana, takian'izy ireo ny handravana ny andrim-panjakàna, sakana amin'ny fanovana...

♦ Nihaona tamin'ny tompon'andraikitra voalohany misahana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly maneran-tany eo anivon'ny Egilzy Katôlika any Vatican androany ny solontenan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara mivahiny any Roma... ♦ Mizotra mankany amin'ny lalana tsy izy ny Fanavaozana nimatimatesana teny an-kianja hoy ireo tanora mpitolona tamin'ny hetsika GEN. Mitaky ny handravana ny andrim-panjakàna sakana amin'ny fanovana izy ireo... ♦ Sady azo tsaraina ao amin'ny Fitsaràna Avo (HCJ) sy ao amin'ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny kolikoly ny filohan'ny antenimieran-doholona teo aloha ny jeneraly Ravalomanana Richard hoy ny HCC...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...