♦ Andrasana amin'ity herinandro ity ny fihaonana eo amin'ny Filoham-pirenena sy ny mpiasan'ny JIRAMA, momba ny fitokonan'izy ireo, efa nilaza ny Filoha fa vonona ny hihaona amin'ireo mpiasa... ♦ Olona miisa 4 no efa voasambotra ka ny telo amin'izany no nahiditra am-ponja vonjimaika noho ny raharaha famoahana laza adina Baccaloréat, mialohan'ny fotoana, nandray fanapahan-kevitra maromaro ny ministera mpiahy, hanomanana ny fanadinana amin'io herinandro ho avy io... ♦ Mitohy ny fijerena ny olan'ny aretina tazomoka, mamely any Ikongo, fitsaboana sy matsiana sakafo ireo tena marefo no natao voalohany...
♦ Nanamarika ny andro afrikanina ho an'ny ady atao amin'ny kolikoly isika teto Madagasikara omaly faha-11 jolay. Nohazavaina nandritra izany ny paik'adim-pirenena vaovao iadiana amin'ny kolikoly... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany ho an'ny mponina. Lohahevitra novoizina ny fanomezana ny tanora ny fomba hanorenany ny fianakaviana araky ny safidy ao anatin'ny tontolo marina sy feno fanantenana... ♦ Manohy ny ady sisika amin'ny fampiakarana karama ny valabe firaisankinan'ny sendika eto Madagasikara. Misy ny hetsika fanangonan-tsonia ataon'izy ireo hitakiana izany...
♦ Mihamitombo ny tahan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA eto Madagasikara. Tsy maharaka ny fitaovana fisorohana ny fiparitahany sy ny fandraisana an-tanana ireo marary... ♦ Nihena ny taham-pahafahana fanadinana BEPC, ho an'ny Cisco Antananarivo-renivohitra tamin'ity taona ity raha oharina tamin'ny taona 2024, nivoaka omaly ny voka-panadinana... ♦ Efa mamokatra fromazy tsara kalitao ny Malagasy mpamokatra. Mbola tsy ampy nefa ny tolotra amin'ny ronono ho antsika Malagasy... ♦ Nokianin'ny Praministra Senegalais ny filoha Bassirou Diomaye Faye, tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fitantananaa an'i Senegal hoy izy...
• Tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny olona mitondra ny VIH Sida amin'izao fotoana izao eto Madagasikara. Tsy ampy ny fitaovana entina misoroka ny fiparitahan'ny tsimok'aretina, raha ny fanadihadiana nataon'ny tetikasa SYCAVI... • Mila hamafisina ny fanabeazana sy ny fanentanana ny olom-pirenena amin'ny fanajana ny fahadiovana amin'ny sakafo sy ny fanaraha-maso ireo entana amidy eny an-tsena, mba hisorohana ny tranga fahapoizinana ara-tsakafo tato ho ato... • Ambohim-pihaonan'ny orinasa mpamokatra fromazy, vokatra malagasy vita amin'ny ronono, sy ny mpajifa eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina, hatramin'ny rahampitso sabotsy...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco