♦ Hijanona ho an'ny Malagasy 100% ny orinasa Jirama ary tsy hisy ny fanesorana mpiasa hoy ny tale jeneraliny, tsy maintsy hirosoana hoy ity farany ilay drafi-panarenana efa natomboka ny volana jona 2024... ♦ Vonona hitondra anjara biriky amin'ny fanavaozana sy fanorenana ifotony ny firenena ireo manampahaizana manokana momba ny fitantanana ny raharaham-panjakàna sy fitantanam-bolam-panjakàna nivoaka teo anivon'ny ENAM... ♦ Miatraika amin'ny fandraisana an-tanana ireo marary ny fitokonana ataon'ireo interne en médecin eny anivon'ny Hopitaly HJRA, manome fe-potoana 72 ho an'ny tompon'andraikitra mahefa hitady vahaolana araka izany ireo mpitsabo...
♦ Andrasana amin'izao faran'ny herinandro izao ny fijoroan'ny governemanta vaovao hotarihan'ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Voatazona am-ponja vonjimaika ao Maorisy ilay mpandraharaha Malagasy Mamy Ravatomanga araka ny didy fisamborana avy amin'ny Financial Crimes Commission (FCC)... ♦ Eo am-panomanana ny fikaonan-doha nasiônaly hanatsaràna ny fomba fitantanana sy fanamafisàna ny andraikitra sahaniny ny tafika Malagasy araka ny toro-marika avy amin'ny filoham-panjakàna ny Kôlônely Randrianirina Michael...
• Nahitana lesoka ny sehatry ny fanabeazana, indrindra ny mahakasika ny fanadinam-panjakana tamin'ny taon-dasa. Nifantoka tamin'izay indrindra ny hafatry ny Eveka eto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ho an'ity taom-pianarana vaovao 2025-2026 ity... • Raha tsy misy fiovana dia tokony ho tafajoro amin'ny alahady izao fara fahatarany ny Governemanta, tarihin'ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo... • Hiroso amin'ny fanakatonana ireo masoivoho samihafa eto Antananarivo, manomboka amin'ny alatsinainy izao, ireo mpiasan'ny orinasa JIRAMA, araka ny toromarika nomen'ny mpitarika ny sendikan'ny mpiasa...
♦ Hisitraka rano fisotro madio, afaka iray volana ny mpianatra eny amin'ny Université Polytechnique Vontovorona... ♦ Mbola miankin-doha amin'ny frantsay ny toe-karena malagasy ary voabaikony hatramin'ny mpitondra hatramin'izay, hoy ny mpandraharaha Ramananarivo Daniel... ♦ Nijoro ary nanao fanambarana manoloana ireo ambarany ho tsindry sy fanararaotana misy, amin'ireo harem-pirenena eny Angavokely, ny vondron'olona ifotony Soa Iombonana Angavokely (VOI SOIMANGA)... ♦ Manome 60 andro an'Andriamatoa Jacob Zuma, filohan'i Afrika-Atsimo teo aloha, ny fitsaràna any an-toerana hanefany vola an-tapitrisany euros amin'ny fitsaràna...
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco