♦ Nampisabo-bola mitentina 240 tapitrisa Dolara, hananganana toby famokara herinaratra vaovao any Ranomafana, ny firenena sinoa... ♦ Mitaky ny famoahana ny didy mampisambotra iraisam-pirenena ho an'ireo Tale Jeneraly roa teo aloha tao amin'ny orinasa JIRAMA, ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa MCI... ♦ Mikarakara fifaninana ara-panatanjahantena ho an'ny mpiasan'ny haino vaky jery, ny OJM sy ny fikambanan'ny mpanao gazety ara-panatanjahantena...

♦Nasiam-panovàna ny dingana arahina amin'ny fanatanterahana ny fampiasana ny teti-bolam-panjakàna, araka ny toromarika nomen'ny Filohan'ny Repoblika, nandritra ny filan-kevitry ny ministra... ♦ Mandeha ny feo ankehitriny amin'ny mety hanoloana ho PDS ny ben'ny tanàna ao Fianarantsoa. Tsy miombon-kevitra amin'izany ny solombavambahoaka Seth Rajoelina... ♦ Mpandraharaha ny fonja miisa 03 sy voafonja miisa 03 no nampidirina am-ponja vonjy maika tamin'ilay fahaverezam-basy tao Vavantenina... ♦ Hamangy fonja iray fitaizana sy fanarenana ny tsy ampy taona ao amin'ny tanàna kely any Rome, anio hariva, ny Papa François...

♦ Nohamasinina androany teny amin'ny EKAR Antanimena, ny menaka fampiasan'ny Eglizy ho an'ny fizarana Sakramenta, nandritra ny "Messe chrismale", ho an'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Tsy didy vaovao, fa lalàna efa tamin'ny 1960 no nampiharin'ny fitondrana, amin'ilay fanambaran'ny Minisitry ny Atitany, hoy ny mpamakafaka pôlitika, Moussa Soalihy... ♦ Nitombo be eto amintsika ny zaza tratry ny tsy fahatomombanana, vokatry ny fisotroan'ny reniny toaka eo am-pitondrana vohoka. Manaitra ny rehetra ny amin'izany tranga izany ny mpitsabo sy ny OFNALAT...

♦ Manahy ireo masoivoho vahiny miisa 08, araka ny fampitam-baovaon'izy ireo, ny amin'ny mety hisian'ny fihenjanana ara-politika, tamin'ny naoty manakana ny hetsika sy fivoriana ara-politika ankalamanjana, navoakan'ny Ministry ny Atitany. Malalaka ny fanehoan-kevitra saingy mila fahazoan-dalana... ♦ Namoahan'ny BIANCO, filazana fikarohana ny tale jeneraly teo aloha an'ny orinasa JIRAMA sy ny tale jeneraly nisolo toerana azy, Andriamatoa isany Andriamanga Vonjy sy Radanielina Rivo... ♦ Manao antso avo amin'ny mpitondra fanjakana ny mba hamonjena azy ireo ny mponina any Sandramorona, 72km miala an'i Mananjary, fa toy ny vono moka ny hanaovan'ny dahalo ny mponina ao, ary robain'izy ireo ihany koa ny fananany...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...