♦ Antony iray mbola mampikatso ny ady amin'ny kolikoly eto Madagasikara, ny tsindry pôlitika, hoy ny Filohan'ny Kômity Mitandro ny Fahitsiana na ny CSI... ♦ Tsy voafaritra mazava tsara ny lalana mametraka ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa eto Madagasikara, hoy ny Vondrona Miaro ny Tombontsoa sy ny Zon'ny Mpanjifa na ny GARDUC... ♦ Manodidina ny 110 taonina isan'andro, ny fako raofin'ny Kaominina Ambonivohitr'i Toamasina, raha ny tatitra nataon'ny Ben'ny Tanana...
♦ Arahi-maso akaiky ireo hôtely ao amin'ny Distrikan'i Maroantsetra Faritra Analanjirofo ankehitriny, noho ny fiparitahan'ny sary tamin'ny tambazotra-tserasera maneho ny fisian'ny hôtely mametraka ny varika ho isan'ny sakafo amidy no antony... ♦ Mbola manohana ny fitondrana mijoro amin'izao ny antoko AVI hoy ny filoha nasiônaly teo aloha Ratsirahonana Norbert Lala. Izay no nambarany nandritra ny fihaonambem-paritry ny antoko natao tany Toliara... ♦ Misy fiatraikany amin'ny tahan'ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Covid-19 eto Madagasikara ny fiparitahan'ny tsaho samihafa eny anivon'ny fiaraha-monina. Mbola latsaky ny 10% ny taha eto Madagasikara...
♦ Tsy misy atahorana ny vola entina miatrika ny fifidianana amin'ity taona ity hoy ny filohan'ny CENI. Nambaran'Andriamatoa Dama Arsène Andrianarisedo fa mitohy hatrany ny fifampiresahana amin'ny governemanta... ♦ Nahitana razana miisa 11 indray omaly tao amin'ny fari-dranomasin' i Nosy-Faly any Ambanja nitrangan'ny faharendrehan'ilay sambo nitondra olona an-tsokosoko saika hihazo an'i Mayotte ny sabotsy alina teo... ♦ Fiadiana ny amboara eran-tany ho an'ny Basket-ball lehilahy latsaky ny 19 taona hatao any Hongrie amin'ity taona ity ; iray tarika amin'i Etazonia, Liban ary Slovénie ao amin'ny vondrona "B" i Madagasikara...
♦ Tsy misy hatahorana ny vola entina miatrika ny fifidianana amin'ity taona ity, hoy Filohan'ny CENI... ♦ Am-perinasa amin'ny maha Talen'ny Kabinetra Sivily eny amin'ny Fiadidiana ny Repoblika azy, Ramatoa Andrianarisoa Romy. Tontosa androany ny famindram-pitantanana teo aminy sy Ramatoa Raharinina Baomiavotse... ♦ Nahitana razana miisa 11 indray androany, tao amin'ny fari-dranomasin'ny Nosy Faly, any Ambanja, nitrangan'ny faharendrehan'ilay sambo nitondra olona an-tsokosoko, saika hihazo an'i Mayotte, ny sabotsy alina lasa teo...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco