♦ Miray hina amin'ny fiarovana ny vahoaka sy ny fandaminana ireo hetsika rehetra anatin'ny Fetim-pirenena, ny Tafika Malagasy, ny Zadarimariam-pirenena ary ny Pôlisim-pirenena... ♦ Azo antoka ankehitriny ny fanaraha-maso ny seranam-piaramanidina sy ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, fa efa manana fitaovana hitiliana izany isika, sy mpiasa voaofana manokana amin'izany... ♦ Nesorina tamin'ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana androany, ireo mpiambina azy eny amin'ny trano fonenany...

♦ Ilaina ny fananana hambom-po, manoloana ny zava-misy eto amin'ny firenena ankehitriny, hoy ny FFKM... ♦ Manatanteraka hetsika manokana ho fiarovana ny zaza, ny sampan-draharaha misahana ny ankizy tsy ampy taona, eo anivon'ny Pôlisim-pirenena... ♦ Nohelohin'ny Fitsarana, sazy mihantona roa taona, i Doris sy i Nambinina, araka ny didy nivoaka androany maraina...

♦ Tsy mbola nilaza ny hevitry ny HCC ny filohany androany, raha nanontaniana momba ilay raharaha fizakan'ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny zom-pirenena frantsay. Miandry "saisine" ny HCC, araka ny voalazan'ny lalàna, hoy izy... ♦ Hahazo zara tombony amin'ny QMM amin'izay ny Fanjakana Malagasy, anatin'ny fifanarahana vaovao amin'ny fitrandrahana fasi-mainty ataony any Taolagnaro... ♦ Hivoaka alohan'ny fanamarihana ny fetim-pirenena ny valim-panadinana CEPE 2023, hoy ny fampitam-baovaon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena...

♦ Roa andro mialoha ny hifaranan'ny fivoriana ara-potoanan'ny parlemantera no hifanatrika ny Solombavam-bahoaka sy ny mpikamban'ny Governemanta... ♦ Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny fifanarahana teo amin'ny Fanjakana Malagasy sy ny orinasa mpitrandraka fasi-mainty, QMM... ♦ Tsy mifanaraka loatra amin'ny zava-misy eto Madagasikara ny teny nambaran'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, nandritra ny fihaonana an-tampon'ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa, na ny OIT, hoy ny SSM...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...