♦ Efa ho tratra sahady amin'izao ny telo volana voalohan'ny taona 2023 izao, ny isan'ny mpizahatany tonga teto Madagasikara tamin'ny taona 2019... ♦ Efa voafaritra ny volavolan-dalana mifehy ny harena an-kibon'ny tany, izay nasiam-panavaozana, ka hodinihin'ireo parlemantera amin'ny volana ambony... ♦ 250 tapitrisa Dolara avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena sy ny fitondram-panjakana, no ho enti-manana ny fandaharanasa FSS: Haraton'aina sy fiahiana ara-tsôsialy...

♦ Notanterahana androany ao Morondava, ny Kôngresim-paritry ny antoko Tiako i Madagasikara, any Menabe. Nihaona tamin'ny mpitarika ny antoko omaly, ny Filoha mpanorina ny TIM, Marc Ravalomanana... ♦ Mihatra manomboka androany ny fandaminana vaovao ao amin'ny sampana misahana ny fanomezana Pasipaoro... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy androany, tao amin'ny Distrikan'i Marovoay, Faritra Boeny, ny tetikasa hamehana hanamafisana ny famokarana sakafo eto Madagasikara ny PUPRA. Faritra 18 no misitraka ny tetikasa...

♦ Nidina ifotony nandamina ny olan'ny lavanila, tany amin'ny Faritra Sava, ny Filohan'ny Repoblika. Nambaran'Andriamatoa Andry Rajoelina, fa tsy mivadika amin'ny fitokisan'ny vahoaka any Sava izy... ♦ Hanolotra tolo-dalàna eny amin'ny Antenimiera mpanao lalàna hankatoavana ireo "Kibouches", atsy amin'ny nosy Mayotte, ho foko malagasy faha-19, ny fiarahamonim-pirenena Mijoro Mandroso... ♦ Manaitra ny tompon'andraikitra samihafa ny fikambanana iray manara-maso ny tanora, fa mitombo izay tsy izy ny famonoan-tenan'ny tanora, tao anatin'ny iray volana. Maro ny antony manosika azy ireo hamono tena, araka ny fanadihadiana natao, hoy ity fikambanana ity...

♦ Homarihana amin'ny alalan'ny pelerinazy diôseziana ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao ny faha-5 taona nanandratana ho olontsambatra an'i Ramose Lucien Botovasoa. Efa nanomboka androany ny fandaharam-potoana momba izany... ♦ Nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an'ny ankizin'ny lalana i Madagasikara omaly. Ny herisetra mianjady aminy any an-tokantrano na ny tsy fahampiana anivon'ny ankohonana no manosika azy ireo hirenireny an-dalambe... ♦ Hoampahafantarina ny daholo be mandritra ny hetsika FIARA ZO hanomboka ny 26 avrily 2023 izao ny lalàna sy ny zo amin'ny maha olom-pirenena...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...