• Maro ny haino aman-jery tsy ara-dalana misokatra eto Madagasikara. Manoloana izany dia hisy ny fanadiovana hatao, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina androany... • Hanampiana ireo tanora mitady asa, sy ny orinasa manana tolotr'asa dia hapetraka ato anatin'ny enim-bolana ny “Palteforme numérique nationale de l'emploi - IZAHA ASA”, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra... • Tokony avahana ny fikaonan-doha politika fototra, hirosoana amin'ny fandinihana ny lalam-pifidianana, sy ny fikaonan-doha ho an'ny fanarenana ny toe-karena sy ny sosialy, hoy ny antoko ALFA...
• Efa eo am-panandramana ilay fitaovam-pandrefesana ny singa mandrafitra ny toetry ny andro mahaleotena, novokarin'ireo injeniera malagasy, ny Météo... • Ny toe-tsaina izay tsy mifampitsinjo amin'ny ady sarotra, no nambaran'ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa fa antony nampidangana tampoka ny vidin'ny arovava sy orona... • Ilaina ny fifanomezan-tanana eo amin'ny samy Malagasy ho fanatanterahana ny fikaonan-doham-pirenena, izay lalana hizorana any amin'ny fifidianana, hoy ny Minisi-panjakana Hanitra Razafimanantsoa...
• Mitombo ny tranga MPOX hita eto Madagasikara ka lasa 124. Na izany aza, mbola mijanona ho enina ireo tranga voamarina... • Mizarazara ny hevitr'ireo mpiasan'ny fahasalamana manoloana ny fandraisana andraikitra amin'ny hiatrehana ny MPOX. Misy ireo vonona, ao koa ireo mametraka fepetra... • Hifamotoana eny amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy, hidinika miaraka amin'ny Minisitra mpiahy, ireo mpitantana sy tompona haino aman-jery...
• Misy fampiasam-bola hikononkononana fanasoketana mpitondra eto amintsika, hoy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon'ny Fitsarana Ambony Antananarivo, androany... • Misy amin'ireo mpiasan'ny fahasalamana no efa mivonona ara-tsaina, hiatrika ny ady amin'ny valan'aretina MPOX. Nilaza ny tsy handray an-tanana ireo voan'io aretina io kosa ny fiombonan'ireo "Internes" eto Madagasikara... • Hivaha tsy ho ela ny famatsiana rano fisotro madio ho an'Antananarivo, hoy ny Minisitry ny Rano androany. Novatsiana milina mpamokatra herinaratra fiandry, ireo fitaovan'ny Jirama manosika rano, amin'ny toerana miisa 14...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco