♦ Miditra amin'ny andro fahaefatra amin'ny JMJ Mada andiany faha-10 anio ireo mpivahiny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe. Notanterahana omaly ny fibanjinana ny fijalian'i Jesoa Kristy... ♦ Handray anjara amin'ny CHAN 2023 hatao any Algerie i Madagasikara. Nisaraka ady sahala iray noho iray, teny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina omaly ny Berean'i Madagasikara sy ny ekipam-pirenena Botshwané... ♦ Hampiroborobo ny voly vary "riz hybride" amin'ny faritra 16 eto amin'ny nosy ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny Orinasa STOI... ♦ Hotanterahana anio ny fandevenana an'i Mickaïl Gorbatchev. Tsy hanatrika izany ny filoha rosiana Vladmir Poutine...

♦ Sambany teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, tafakatra hiatrika ny dingana famaranana amin'ny CHAN 2022 ny Barean'i Madagasikara... ♦ Naneho ny fanohanany ny Maki Vehivavy androany, ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika, mialoha ny handehanan'izy ireo hiatrika ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany any Capetown... ♦ Ho tratra tsy ho ela ny fahavitan-tena ara-bary, raha samy mampihatra ny teknika fambolena nohatsaraina amin'ny voly vary, ireo faritra mpamoka-bary. Hampiroborobo ny fambolena ny vary safiotra amin'ny faritra 16 ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny STOI...

♦ Entintsika eto indray ny akon'ny andro fahatelon'ny JMJ any Antsirabe, ho an'ny tapany maraina teo. Lalan'ny Hazofijalina eny amin'ny Gara no hatrehan'ireo tanora mpivahiny, anio tolakandro... ♦ Atahorana hiitatra amin'ny faritra hafa ny fitakiana fitsaram-bahoaka eto amintsika, hoy ny Filohan'ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy, manoloana ilay raharaha tany Ikongo. Mila jerena hatrany iofotony, hoy izy, ny antony nahatonga ireny tranga ireny... ♦ Hiatrika lalao farany mety hahatafakarana any amin'ny CHAN 2022 ny Barea anio tolakandro. Lalao miverina hifanandrinana amin'i Botswana eny Mahamasina...

♦ Miditra amin'ny andro fahatelo anio, ny JMJ Mada X tanterahana any Antsirabe, hitohy ny fandalinam-pionana hatrehan'ireo tanora mpivahiny... ♦ Namoaka fanambarana noho ilay raharaha tany Ikongo ny FFKM omaly. Mangataka ny hisian'ny fisaonam-pirenena ihany koa ny RMDM manoloana iny zava-nitranga iny... ♦ Nitokona indray omaly ny mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo. Nidina an-dalambe teny Ankatso izy ireo ka voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...