♦ Nanome toromarika ny ekipany hanampy an'i Madagasikara ahafahana misitraka ilay famatsiam-bola avy amin'ny Tahiry Maintso ho an'ny Toetr'andro ny Sekretera jeneralin'ny firenena mikambana raha nihaona tamin'ny filoham-pirenena malagasy tany NewYork izy... ♦ Hiditra amin'ny raharaha politika indray ny antoko Hery Vaovaon'i Madagasikara hanomboka anio. Amin'ny alalan'ny "varavarana misokatra" no hanehoan'ny antoko izany anio... ♦ Tsy maintsy haverina ho jerena hitondrana fanitsiana ilay lalàna mampitovy zo ny vehivavy sy ny lehilahy amin'ny fandraisana andraikitra ambony hoy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena...

♦ Ho azon'i Madagasikara tsy ho ela ilay "Tahiry maitso ho an'ny toetrandro", hoy ny Sekretera Jeneralin'ny ONU, tamin'ny Filoha Malagasy... ♦ Tsy maintsy haverina ho jerena, hitondrana fanitsiana ilay lalana mampitovy zo ny vehivavy sy ny lehilahy amin'ny fandraisana andraikitra ambony, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nitombo isa ny tahan'ny fitarainana voarain'ny Bianco tamin'ny taona 2021, raha mitaha amin'ny taona teo aloha...

♦ Voafidy sy voatendry ho Administrateur diocésain hisahana ny Diôsezin'Antsirabe, i Mompera Andrianandrainy Jeannot Martial. Hisahana ity diôsezy ity izy mandram-panendrin'ny Papa izay ho eveka vaovao ho an'Antsirabe... ♦ Misy ny hamehana ka lasa mampieritreritra ny fikarakan'ny Minisiteran'ny Fitsarana ny hetsika kopia faobe hisitrahana kara-panondrom-pirenena, hoy ny antoko HVM... ♦ Notanana am-ponja vonjy maika ilay mpamilin'ny fiara tra-doza tao Moramanga. Mitondra fanazavana ny tompon'andraikitry ny fitsarana ao Moramanga...

♦ Nanambara ny fahavononany haka fahefana amin'ny alalan'ny fifidianana mangarahara ny antoko Hery Vaovao ho an'i Madagasikara. Mbola mametraka fepetra momba ny fahaleovan-tenan'ny CENI anefa ny HVM... ♦ Mitombo hatrany ireo mijoro mitaky ny fialan'ny Governoran'ny Faritra Bongolava. Mitarika fampisaraham-bazana ny zava-misy any an-toerana, ary taraiky ny fampandrosoana... ♦ Andrasana anio ny mety hisian'ny fihaonana eo amin'ny Sendikan'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, izay manao fitokonana, sy ny Minisitra mpiahy...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...