♦ Miantso ny fitsarana mba hampihatra am-pahamarinana ny lalana mifanandrify amin'ireo namono olona telopolo mahery tany Ambolotarakely ny antoko Malagasy Miara-Miainga na ny MMM. Antoka iray ahafahana mamerina ny fahatokisan'ny olom-pirenena Malagasy ny fitsarana izany, hoy ity antoko ity... ♦ Efa misy ireo miomana amin'ny fanaovana hosoka amin'ny fifidianana ho avy, hoy ny antoko Malagasy Tonga Saina na ny MTS... ♦ Nanomboka ny folakandro teo teny Mahamasina ny Afrobasket sokajy lehilahy, latsaky ny 18 taona. Rahampitso no hiakatra kianja voalohany ny Ankoay, ekipa malagasy...
♦ Mihatra nanomboka ny volana jolay teo ny saran'ny herinaratra vaovao ho an'ny indostria na ny TARIF OPTIMA BUSNESS. Hisy anefa ny sarany manokana hampiharina amin'ny sokajin'orinasa ara-indostria araka ny fanapahana nandritra ny filan-kevitry ny ministra... ♦ Hampiroborobo ny voly kafe ao aminy indray ny ao amin'ny faritr'i Vatovavy manomboka izao. Voly isan'ny manana ny anjara toerany amin'ny toe-karena any amin'iny faritra iny... ♦ Manodidina ny 380 isa ireo olona voasambotry ny polisy tao Antananarivo renivohitra nandritra iny volana jolay teo iny. Miisa 05 ireo olona nanao halatra miaro herisetra miaraka amin'ny basy ka ny 04 isa maty voatifitra ary ny 01 azo sambo-belona...
♦ Tsy mety intsony hoy ny "Nouvelle Plateforme pour la continuité" ny fifaniliana andraikitra amin'ny filazana fa ireo mpitondra nifandimby teto hatramin'izay no nampahatra ny vahoaka sy ny firenena. Tokony karohana aloha ny antony mampahatra ny malagasy vao miroso amin'ny fikaonandoha-pirenena... ♦ Nanahirana an'ireo mpampiasa fiara ny nahita Gazoil tato ho ato. Nanambara ny tale jeneralin'ny OMH fa mbola manana tahiry lasantsy sy Gazoil isika... ♦ Nanolotra mari-pankasitrahana ho ani'izy 6 mianadahy nandrombaka ny tompon-dakan'i Afrika teo amin'ny taranja Judo taona 2022 sy ny fibatana fonjamby taona 2021, teny amin'ny lapam-panjakàna Iavoloha ny filoham-pirenena Andry Rajoelina...
♦ Tsy mety intsony, hoy ny "Nouvelle Plateforme pour la Continuité", ny fifanilihana andraikitra amin'ny filazana fa ireo mpitondra nifandimby teto hatramin'izay no mampahantra ny vahoaka sy ny firenena... ♦ Nanomboka androany ny foara iraisam-pirenena ho an'ny toekarena eny ambanivohitra eto Madagasikara, na ny FIER MADA andiany faha-23... ♦ Nanolotra mari-pankasitrahana ho azy enina mianadahy nandrombaka ny tompon-dakan'i Afrika teo amin'ny taranja judo ny taona 2022 sy ny fibatana fonjam-by ny taona 2021, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco