♦Namaranana ny fivahininana Masina Nasiônaly nanamarihana ny taon-jaobilin'ny fanantenana tany Ampefy omaly ny hafatra avy amin'ireo Ray aman-dreny Eveka ho an'ny Kristianina indrindra ny Katôlika... ♦ Vokatra 12 eto Madagasikara amin'izao no efa misitraka ny fepetra fiarovana avy amin'ny ANMCC noho ny fitobaky ny famokarana avy any ivelany... ♦ Nahatratra 45 ireo tranga fahaverezana ankizy tsy ampy taona tao anatin'izay 5 volana voalohan'ny taona 2025, raha ny tarehimarika navoakan'ny eo anivon'ny Polisim-pirenena... ♦Lany ho filoham-pirenena Roumanie i Nicursor Dan nandritra ny fifidianana ny faran'ny herinandro teo...
♦ Tontosa omaly alahady ny fametrahana ôfisialy an'ny Papa Léon-XIV amin'ny toerana maha Papa azy ho dimbin'i Masindahy Piera faha-267... ♦ Fotoana nanokanana an'i Madagasikara eo ambany fiarovan'ny Fo Masin'i Jesoa ny fanatanterahana ny Pelerinazy Nasiônaly tao amin'ny Distrika Misiônera Andasibe-Ampefy, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Tsy ampy hoy ny fanehoan-kevitry ny kôlônely Fanampera ny fanazavana nomena ny mponina ao Toliara avy amin'ny fitondram-panjakàna sy ny orinasa Base-Toliara, momba ny raharaha fitrandrahana fasimainty...
♦Manohana tanteraka ny tetik'asa fitrandrahana fasimainty ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana ny Fanjakàna. Hitondra fampandrosoana maharitra ho an'i Toliara sy ny firenena ny orinasa Base Toliara hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny lahateniny teo amin'ny kianja Maître Kira... ♦ Mitondra ny hetahetany amin'ireo mpanapa-kevitra eto amin'ny firenena momba ny olana mahazo azy, ireo tantsaha niofana tao amin'ny Oniversite natokana ho azy ireo, tantanan'ny FORMAGRI... ♦ Misaona ny tontolon'ny fitantanan-draharaha-panjakàna eto Madagasikara, nodimandry ny alakamisy teo i Gervais Rakotonirina, administrateur Civil, ministry ny atitany teo aloha...
♦ Mamaha olana ireo vehivavy tanora amin'ny faritra maro ao an-drenivohitra ny fiofanana atolotry ny Ivon-toerana misahana ny fahaleovan-tenan'ny vehivavy ao amin'ny FMA eny Ampasanimalo. Maherin'ny 40 mirahavavy indray omaly no nahavita fiofanana no notolorana mari-piofanana... ♦ Notoloran'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka fampitaovana mitentina 206.000 Dôlra ny Ivon-toeram-panofanana mampiofana Paramedy IFIRP manerana ny Nosy... ♦ Nankalaza ny andron'ny vilona teny Tsaratanàna Ambatomirahavavy, distrika Arivonimamo omaly ny MDB niaraka tamin'ny tetik'asa Profilait. Ahazoana ronono 30litatra/andro ny fampiasana vilona ampy sy tsara kalitao...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco