♦ Olona 10 no fantatra fa namoy ny ainy omaly, vokatry ny rotsak'orana nisy teo Antananarivo sy ny manodidina araka ny tatitra nataon'ny BNGRC... ♦ Hitohy hatrany anio sy rahampitso ny rotsak'orana ary mety mbola ho mafimafy kokoa noho ny afak'omaly sy ny omaly izany, ka tena tokony ho mailo ny rehetra... ♦ Ny fananganana orinasa ihany no vahaolana maharitra hifehezana sy hiadiana amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana hoy ny ministra Edgard Razafindravahy...
♦ Anatin'ny filazana loza mitatao na ny loko mena amin'ny mety hisian'ny tondra-drano ny lemak'Antananarivo lalovan'ny reniranon'i Sisaony anatin'ny 12 ora manaraka... ♦ Nitohy androany tolakandro ny rotsak'orana teo an-drenivohitra sy ny manodidina. Tafakatra 10 ny isan'ny maty vokatry ny orambe mikija alina, 500 no traboina hoy ny BNGRC... ♦ Tsy misy afatsy ny fananganana orinasa ihany no vahaolana maharitra, hifehezana sy hiadiana amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana hoy ny ministra Edgard Razafindravahy...
♦ Olona 9 no namoy ny ainy, vokatry ny fiavian'orambe teto antananarivo, alina tontolo, araka ny tatitra vonjimaika avy amin'ny Sampana mpamonjy voina ao an-drenivohitra. Dibo-drano ny faritra iva ny maraina teo... ♦ Mizarazara be ny hevitr'ireo mpanao politika momba ny fanatanterahana ny tetik'asa "téléferique". Tsy ny fisian'ny foto-drafitr'asa aorina toy ireny, no paik'ady mampandroso ny firenena hoy ny SFDM... ♦ Efa voafehy ny zava-misy momba ilay fikasàn'ireo gadra 7 nikasa ny hitsoaka ny fonjan'i Morondava. Tsy nisy ny namoy ny ainy, araka ny vaovao niparitaka, hoy ny tale jeneralin'ny fandraharahana ny fonja...
♦ Olona roa hatramin'izao no fantatra fa atidoha ambadiky ny fanondranana an-tsokosoko ireo volamena eto Madagasikara hoy ny Ministry ny fitsaràna omaly... ♦ Mbola nisy tamin'ireo sekolim-panjakàna ao an-drenivohitra no mbola tsy nanomboka ny fampianarana omaly... ♦ Tsy misy fiantraikany tsara eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany ny fanokafana ny sisin-tany teto Madagasikara hatramin'izao, hoy ny mpahay toe-karena Danny Rakotoson. Tsy manana paik'ady hanarenana io sehatra io hoy izy, ny fitondrana...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco