♦ Nanatanteraka sit-in nanoloana ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena, androany, ireo ampahany amin'ireo mpiasa misahana ny fampidirana ny laza adina Cepe sy Bepc noho ny tsy fandraisana karama... ♦ Tsy handefitra amin'ireo mikasa hanao amboletra hampihatra fahefana  eo am-pelatanany , hidirana ho mpampianatra mpikaroka sy mpandraharaha eny amin'ny oniversite sy ny Seces... ♦ Tsy voafehin'ny ministera tompon'andraikitra ny vidin'ny PPN, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa...

♦ Mbola voatazona ny fitakian'ny sendikan'ny Seces amin'ny fanesorana ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Tsy mitovy hevitra ireo fikambanana miaro ny mpanjifa amin'ny hetsika hankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny mpanjifa rahampitso... ♦ Nisafidy ny hanampy ny Ankany fitaizana zaza kamboty any Ambohimpiadanana-Anjomakely kosa ny vehivavy katôlika eto amin'ny diôsezin'Antananarivo ho fankalazana ny andron'ny zon'ny vehivavy...

♦ Mitaky ny mangarahara amin'ny tomba hatao amin'ireo mpikamban'ny Governemanta ny Kmf/Cnoe... ♦ Naneho ny fahasorenany ny SECES Sampana Antananarivo, manoloana ny nandavan'ny HCC ilay tolo-dalana momba ny fizakan-tenan'ny Oniversite sy ny foibem-pikarohana nasiônaly... ♦ Hatao fitsirihana sy fanadihadiana ny rano manodidina ny toeram-pitrandrahana fasimainty ataon'ny orinasa QMM any Taolagnaro...

♦ Hanova ireo ministra vitsivitsy ao anatin'ny governemantan'ny praiministra Ntsay Christian ny filoham-pirenena. Hanao tombana ny asa vitan'ireo ministra, Andriamatoa Andry Rajoelina, hisy fanapahan-kevitra aorian'izay... ♦ Mamita iraka eto Madagasikara ny talem-paritry ny FIDA aty Afrika atsinanana sy atsimon'i Afrika, Ramatoa Mbango-Bhunu, fanamafisana ny fiaraha-miasa momba ny fampiroboroboana ny asa famokarana eny ambanivohitra... ♦ Hitondra ny raharaha any amin'ny BIANCO ny Randrana sendikaly raha misy tokoa ilay famoahana vola be tao amin'ny CNaPs, niparitaka tao amin'ny tambazotra sôsialy...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...