♦ Notemorin'ny mpitandro filaminana maro dia maro androany ny teo anoloan'ny lapan'ny tanàna Analakely. Olona 40 teo ho eo anefa no nametraka fehezam-boninkazo teny an-toerana nahatsiarovana ireo maty vokatry ny tolom-bahoaka ny 13 mey 1972... ♦ Velaran-tany aman'arivony Hektara no bodoan'olom-bitsy ao amin'ny faritra afovoany misy ny faritr'alan'ny Orinasam-panjakàna Fanalamanga... ♦ Mametraka ho zava-dehibe ny fitazomana ny fifandraisana amin'ny vahoaka sy ireo tompon'andraikitra eny ifotony hametrahana fandriam-pahalemana maharitra ny Polisim-pirenena...
♦ Feno 53 taona katroka androany ny raharaha 13 mey 1972. Mby aiza ny firenena, taorian'ny hetsi-bahoaka tamin'izany, izay nampirodana ny Repoblika Voalohany... ♦ Tokantrano 2.500.000 isa no kendrena ho voarakitra anatin'ny Rejisitra ara-tsôsialy tokana amin'ity taona 2025 ity... ♦ Hampiantrano fanintelona misesy ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika eo amin'ny taranja Rugby à 15, sokajy vehivavy i Madagasikara. Hotanterahana ny volana Jona izao izany, hoy ny Filohan'ny Federasiôna... ♦ Nisy ny tatitra nivoaka momba ny fianjeran'ilay fiaramanidina MH17 avy eny amin'ny habakabak'i Ukraine, tamin'ny taona 2024...
♦Tsy hisy ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna amin'ity taona ity. Midika izany fa manana olana amin'ny fidiram-bola ny Fanjakàna hoy ny mpahay toe-karena sy fitantanana Ralison Roger... ♦ Henjehina araka ny lalàna ireo tratra manimba na mangalatra ireo fefy vy napetraka eny amin'ny farihin'Anosy. Natolotra ny Ben'ny tanàna omaly ny bokin'andraikitra fikojakojàna sy fiarovana ny asa vita eny an-toerana... ♦ Dahalo 80 lahy no nanafika tanàna, ary naka omby roa vala tany Antanandava, Distrikan'i Bekily Androy. Namoy ny ainy tamin'izany ny miaramila telo lahy sy zanaky ny Ben'ny tanàna ao Mitsinjo...
♦Manana olana amin'ny fidiram-bola ny Fanjakàna matoa tsy hanitsy ny teti-bolam-panjakàna eny anivon'ny Antenimiera mpanao lalàna hoy ny Profesora Ralison Roger... ♦ Hisy ny fifaninanana fanajariana tanàna eo amin'ireo Fokontany 192 ao an-drenivohitra. Hahazo vola 200 tapitrisa Ariary hanaovana fotodrafitr'asa ireo Fokontany 5 voalohany, hoy ny filoham-pirenena... ♦ Nitondràna fanavaozana ny volavolan-drija-tenin-dalàna momba ny omby eto Madagasikara. Nisy ny fakàna sy fandravonan-kevitra mifandraika amin'izany teny amin'ny Antenimieran-doholona Anosikely, androany...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco