♦ Olana mbola mitoetra ny tsy fahampian'ny solika eto Antananarivo, ny fahatapahan-jiro mifandimby izay maharitra ora telo... ♦ Nahafaly ny vahoaka tao Ambodinonoka ny fanomezan'ny filan-kevi-panjakàna rariny ny Ben'ny tanàna Marthino Solonirina Zou. Nampiaka-peo kosa ny solotenan'ny Kandidà avy any Bekopaka satria nesorina ny Ben'ny tanàna any an-toerana... ♦ Dinihina mandritra ilay atrik'asa omen'ny FIPOL sy OLEP eny Ambatobe ny onitra vokatry ny loto an-dranomasina... ♦ Tsy nahafaly ireo Japôney ny fanambaran'i Donald Trump izay nanao fampitahana ary nampitovy ny daroka baomba nokleary tamin'ny taona 1945 ny daroka baomba farany teo tany Iran...

• Nomen'ny Filankevi-panjakana rariny androany, ny Ben'ny Tanana Marthino Solonirina Zou, ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambodinonoka, Distrikan'i Vatomandry... • Namoaka ny andiany mpiofana tao aminy nisalotra ny anarana “Henikazy” ny Université Catholique de Madagascar, ka mpianatra miisa 287 no notolarana ny diplaoma Master 2, avy amin'ny sampam-piofanana samihafa... • Fanambin'ny Federasiona Iraisam-pirenen'ny Baolina Kitra ny hametraka ny ivon-toerana eny Carion ho modely, ao aorian'ny fahavitany. Higadona eto Madagasikara hitokana izany ny Filohan'ny FIFA, raha ny namabaran'ny Filohan'ny Federasiona Malagasin'ny Baolina Kitra androany...

♦ Mandray ny filan-kevitry ny ministra mitety Faritra ny ao Fianarantsoa androany. Fianakaviana 17.000 no hisitraka fanomezana avy amin'ny filohan'ny repoblika mandritra ny diany ao Matsiatra-Ambony. Hitokana zava-bita maro ny filoha... ♦ Nifarana amin'ny fomba ôfisialy nanomboka omaly ny asan'ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID). Ny Departemantam-panjakàna Amerikana no hiandraikitra ny fitantanana sy fanatanterahana ireo tetik'asan'ny USAID teo aloha... ♦ Hampahafantarina rahampitso ny vokatry ny fanadihadiana tamin'ny Faritra 23 momba ny tsy fahampiana singa mpamelona toa ny vitamina sy sira mineraly ilain'ny ENCM...

♦ Manambana hitokona ny mpiasan'ny JIRAMA raha tsy misy ny vahaolana mato-paika ho an'ity orinasa ity. Tandondomin-doza ny firenena noho ny olan'ny orinasa. Mitaky fandraisan'andraikitra miaraka izy ireo... ♦ Nanamafy ny Ôfisy Malagasy ny ankoraafo fa ampy tsy misy atahorana ny tahirin-tsolika eto Madagasikara. Mbola misedra olana amin'ny fahitana solika nefa ny mpanjifa tamin'ny omaly... ♦ Nihena ny voka-bary tany amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro tamin'ity taona ity. Noho ny fikorontanan'ny tetiandrom-pamokarana ho an'ny tantsaha any amin'ny tapany avaratra sy atsimon'ity faritra ity no antony mahatonga izany...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...