♦ Mitohy ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy ataon'ny Ceni, anatin'ny fanaraha-maso izany izy ireo ankehitriny... ♦ Nivadika rivodoza, androany maraina, ilay andro ratsy tao amin'ny ranomasimbe indiana. Mahatratra 85 km/ora ny rivotra miaraka amin'i Emnati, arahana tafiotra 120 km/ora... ♦ Dibo-drano ny tanànan'i Toamasina-I sy Toamasina-II noho ny rotsak'orana netin'ilay rivodoza Dumako nandalo omaly, 2500 isa ny olona traboina araka ny tatitra vonjy maika...
♦ Mazoto amin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny CENI saingy tsy azo irotorotoana ny fanaovana izany hoy ny filoha lefitra Andriamalazaray Andoniaina... ♦ Niainga teto an-drenivohitra omaly ny fiarabe 15, mitondra ny vary tsinjo ho an'ny faritra 6, nitondra faisana tamin'ny rivodoza Batsirai... ♦ Velon-taraina ireo fokonolona ao Ampiringa, Kaominina Andina distrika Ambositra noho ny fisian'ny fitrandrahana vato. Iharan'ny tsindry hazo lena ireo fokonolona...
♦ Fanapahan-kevitra mahasoa ny vahoaka sy ny firenena no noraisina, hoy ny Praiminisitra, raha nanontanian'ny mpanao gazety momba ny raharaha Imbiky Herilaza, androany... ♦ Ilaina saingy tsy azo irotorotoana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, hoy ny eo anivon'ny CENI... ♦ Misy andro ratsy ahiana hivadika ho rivodoza indray ao amin'ny Ranomasimbe Indianina, araka ny filazan'ny Météo. Efa nivoaka an-dranomasina androany tolak'andro kosa i Dumako...
♦ Heverina hivoaka andranomasina any amin'ny lakandranon'i Mozambika anio tolakandro ny sisan-drahona miaraka amin'ny rivodoza Dumako, tany Maevantanana ny ivony tamin'ny 6 ora maraina... ♦ Andro maromaro no efa niomana nnametraka ny fitaovana ho enti-manavotra ny vahoaka amin'ity rivodoza Dumako ity ny BNGRC... ♦ Misy antony matoa neken'ny filohan'ny repoblika ny fametraham-pialan'ny Ministra Imbiki Herilaza hoy ny Ministry ny kolontsaina sy ny serasera...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco