♦ Hotanterina any amin'ny foiben'ny Vondrona Afrikàna ny raharaham-pirenena eto Madagasikara, araka ny tatitry ny Vondrona Panorama. NIhaona tamin'ny solontenan'io vondrona io eto amintsika omaly... ♦ Hatsangana ny Vaomiera mpanao fanadihadiana momba ny fiakaran'ny vidim-bary sy ny PPN amin'izao. Nankatoavin'ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza ny tolo-pehin-kevitra momba izany... ♦ Maniry fihaonana amin'ny filohan'ny antenimieram-doholona ny sendikàn'ny mpiasa eo anivon'ity andrim-panjakàna ity. Miandrandra "Prime" arak'asa izy ireo...
♦ Entina hihazo an'Antsirabe ny alatsinainy 20 desambra izao ny Lakroan'ny JMJ Mada. Hetsika hisantarana ny fandraisan'ny diôsezin'Antsirabe ny JMJ andiany faha-10, amin'ny taona 2022... ♦ Mitohy omaly ny fitsaràna ireo voarohirohy amin'ilay raharaha Apollo 21. Jeneraly roa no anisan'ny nohenoin'ny fitsaràna, ankoatra ny mpiasa iray eo anivon'ny Banky Foiben'i Madagasikara... ♦ Misy amin'ireo sekoly ao an-drenivohitra no efa nampiato ny fampianarana amin'izao. Niteraka resa-be ihany izany fampitsaharana fampianarana izany, noho ny resaka fiparitahan'ny Covid-19...
♦ Hiainga hiazo ny Diôsezin'Antsirabe amin'ny alatsinainy 20 desambra izao ny Lakroa JMJ Mada... ♦ Miditra amin'ny herinandro faharoa nanomboka androany ny fitsarana ny raharaha Apollo 21... ♦ Endrika jadona no nandikan'ny RMDM ny sakana nahazo ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, tany Toliara...
♦ Nahazo ivo-toerana voalohany fikarohana momba ny Vaksiny isika eto Madagasikara. Anisan'ny hokarohina amin'izany ny Covid-19, ankoatra ireo aretina mateti-pitranga eto amintsika... ♦ Mitaky ny hametrahana "Etat Régional" eto Madagasikara ny antoko Gasy-Mi hisian'ny fitsinjaràna ara-pitantanana. Izany hoy izy ireo, no vahaolana mety hanarenana ny firenena sy hisian'ny fampandrosoana isam-paritra... ♦ Tsy hamoaka ny naotin'ny mpianatra eny amin'ny sekolim-panjjakànaireo mpampianatra Fram any Fitovinany amin'izao fanadinana 3 volana voalohany izao. Fitakiana tambin-karama sy "aide spéciale".
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco