♦ Olona 9 no namoy ny ainy, vokatry ny fiavian'orambe teto antananarivo, alina tontolo, araka ny tatitra vonjimaika avy amin'ny Sampana mpamonjy voina ao an-drenivohitra. Dibo-drano ny faritra iva ny maraina teo... ♦ Mizarazara be ny hevitr'ireo mpanao politika momba ny fanatanterahana ny tetik'asa "téléferique". Tsy ny fisian'ny foto-drafitr'asa aorina toy ireny, no paik'ady mampandroso ny firenena hoy ny SFDM... ♦ Efa voafehy ny zava-misy momba ilay fikasàn'ireo gadra 7 nikasa ny hitsoaka ny fonjan'i Morondava. Tsy nisy ny namoy ny ainy, araka ny vaovao niparitaka, hoy ny tale jeneralin'ny fandraharahana ny fonja...
♦ Olona roa hatramin'izao no fantatra fa atidoha ambadiky ny fanondranana an-tsokosoko ireo volamena eto Madagasikara hoy ny Ministry ny fitsaràna omaly... ♦ Mbola nisy tamin'ireo sekolim-panjakàna ao an-drenivohitra no mbola tsy nanomboka ny fampianarana omaly... ♦ Tsy misy fiantraikany tsara eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany ny fanokafana ny sisin-tany teto Madagasikara hatramin'izao, hoy ny mpahay toe-karena Danny Rakotoson. Tsy manana paik'ady hanarenana io sehatra io hoy izy, ny fitondrana...
♦ Miisa roa hatramin'izao ireo olona fantatra fa atidoha ambadiky ny fanondranana an-tsokosoko ireo volamena mivoaka eto Madagasikara. Teratany Malagasy sy teratany arabo izy ireo, hoy ny ministry ny fitsarana Imbiki Herilaza... ♦ Mbola nisy tamin'ireo sekoly no tsy nanomboka ny fampianarana androany. Saika nandray fepetra isorohana ny Covid-19 avokoa ny sekoly... ♦ Tsy misy afatsy 80 andro ao anatin'ny taona iray sisa no hahafahan'ireo mpanjono an-dranomasina miandrika noho ny faharatsian'ny toe-dranomasina ateraky ny fiovaovan'ny toetrandro...
♦ Mahatratra hatrany amin'ny 10.000.000 dolara isan-taona ny fandaniana ateraky ny "embouteillage" araka ny fanadihadian'ny JIca... ♦ Zana-kazo mora mitombo miisa 50.000 fototra no hambolena amin'ny ampahan-tany 25 Ha, hanombohana ny fambolen-kazo amin'ity taona 2022 ity, hatao ny 19 janoary any Mahanoro... ♦ Heverina ho tanterahina anio ny andrana voalohany amin'ny fampiasàna ny fitaovana vaovao dia ny "transformateur" any Andekaleka, taorian'ny famaizany...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco