• Tsy hita taratra ny fitsitsiana ny volam-bahoaka nodradradraina. Fandaniam-bola fahatany no nataon'ny fitondrana tany amin'ny hetsika tany Toliara, hoy ny antoko VAMI, androany... • Naneho ny ahiahy amin'ny fisian'ireo olona voasambotra noho ny fanehoan-kevitra mitaky fanovana, ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpikaroka, Sampana Antananarivo. Namoaka fanambarana momba izany izy ireo... • Nahazo fanampiana ara-tsakafo milanja 5.000 taonina avy amin'ny Amerikana i Madagasikara. Hamonjy aina sy hanampy olona hatrany amin'ny 3 hetsy any amin'ny faritra atsimon'ny nosy izany...
♦ Nambaran'ny filohan'ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH fa olana ho an'ny mpanangom-bokatra sy ny tantsaha sasany nindram-bola tany amin'ny Banky ny fidinan'ny vidin'ny vary amin'izao fotoana izao. Tsy ny tantsaha maro an'isa no manana olana momba izany hoy izy... ♦ Tsy misy atahorana ny fielezan'ny andiam-balala any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy hoy ny ao amin'ny ministeran'ny fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Voafendraka fanafody avokoa ny roa ampahatelon'ny velaran-tany nisy andiam-balala... ♦ Nahazo chapelle vaovao ny Fonjan'Ambalatavoahangy ao Toamasina...
♦ Tsipahan'ireo tanora eny amin'ny toby Ankamasoa ny vaovao naparitaka tamin'ny tambazotra sôsialy fa manafina olona karohan'ny mpitandro filaminana i Mompera Pédro Opéka. Nametraka fitoriana eny amin'ny Sampana misahana ny heloka an'habaka izy ireo... ♦ Mitohy hatrany ny tolona mandra-pahatanteraky ny fitakiana nandritry ny fidinana teny an-kianja tamin'ny taon-dasa hoy ireo tanora ao amin'ny Gen-Z, tonga teny Ambohijatovo ny sabotsy teo... ♦ Hankalaza ny faha-50 taona nijoroany ny Sampam-piofanana manofana ho Injeniera momba ny harena ankibon'ny tany eny Vontovorona, hatomboka amin'ny zoma izao...
♦ Nandiso ny vaovao niparitaka tamin'ny tambazon-tserasera nilaza fa : nanafina ny Kôlônely Patrick sy mitahiry fitaovam-piadiana i Mompera Pedro, ny tanora Akamasoa, androany... ♦ Mitaky ny hametrahana rafitra mazava, mangarahara ary mampiaty, itondrana ny zotry ny fanavaozana ny firaisa-monim-pirenena ROHY... ♦ Manana paik'ady hampivoarana ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara ny Ministera tompon'andraikitra, ankehitriny... ♦ Hanohy ny fitsidihana Apôstôlika any Angola, anio, ny Papa Léon-XIV, handrasana any an-toerana anio tolakandro izy...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco