♦ Hamory vahoaka eny amin'ny kianjan'i Magro Behoririka anio tolok'andro ny RMDM, hetsika hanamarihana ny faharoa taona nijoroan'ity vovonan'ny mpanohitra ity... ♦ Hitory eny amin'ny fitsaràna ny sendikàn'ny SEFPONAM, manoloana ny fanidiana ny birao foiben'izy ireo eny Ankaraobato... ♦ Nandraisan'ny ministry ny fiarovam-pirenena fepetra ny momba ilay raharaha niitranga tany Belo sur Tsiribihina. Raharaha moa naharatràna olona noho ny korontana nataona andiana miramila...
♦ Andro faharoa anio ho an'ny fanadinam-panjakana Bakalorea manerana ny Nosy. Ny taranja matematika sy malagasy indray no hatrehan'ireo mpiadina... ♦ Nitombo ny isan'ireo trangan-kerisetra mianjady amin'ny vehivavy sy ny tovovavy marefo, nandritra ny fihibohana tamin'ny taon-dasa. Vehivavy iray amin'ireo telo natao fanadihadiana no efa niharan'izany, indray mandeha farahafakeliny...
♦ Tsy nisy ny olana goavana androany, nandritra ny andro voalohany amin'ny fanadinam-panjakana bakalorea... ♦ Voatery manaraka fitsaboana any Morondava, ny mpampianatra iray izay niharan'ny daroky ny miaramila ao amin'ny Kaompania 510 Belo-sur-Tsiribihina... ♦ Nahitana fiakarany kosa ny trangana herisetra mianjady amin'ny vehivavy sy ny tovovavy araka ny fanadihadian'ny FNUAP...
♦ Nanome fe-potoana ho an'ny tompon'andraikitra, hamaha ato anatin'ny andro vitsy ny fidangan'ny entana ilain'ny mponina andavan'andro ny filoham-pirenena Andry Rajoelina... ♦ Voafehy amin'izao ilay valan'aretina "FVR" nahazo ny omby sy ny ondry aman'osy tamin'ny faritra vitsivitsy teto amintsika... ♦ Ho tanterahina ny 29 aogositra izao ny lanonana fitokanana ny kianja Barea Mahamasina, ho santarina amin'ny lalao ara-pirahalahina hiaonan'i Barea sy ny ekipa avy atsy Seychelles...
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco