♦ Tsy heken'ny mponina eny Antanandrano ao Antananarivo Renivohitra ny asa fametrahana fotodrafitr'asa ataon'ny orinasa iray misahana ny fifandraisan-davitra... ♦ Voasakana teny Ambohimangakely lalam-pirenena faharoa indray omaly ny fiara nitondra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nihamafy ny fomba nanakanan'ny zandary raha oharina tamin'ny herinandro... ♦ Valan'aretina Covid-19, miisa 28 ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina tamin'ny fitiliana 366 natao afak'omaly...
♦ Nitombo 12% ny isan'ireo mpiadina bakalorea raha oharina amin'ny tamin'ny taon-dasa... ♦ Tsy manaiky lembenana amin'ny taniny ireo olona eny Antanandrano, nitohy androany ny hetsika nataon'izy ireo teny an-toerana...
♦ Niabo ny ezaka vitan'ny Fanjakàna teo amin'ny lafiny fampidiran-ketra na teo aza ny krizy natrehana araka ny tatitry ny asa vita nataon'ny Governemanta nanoloana ny solombavambahoaka... ♦ Tsy ho tratran'i Madagasikara ny fanamby voafaritra ao amin'ny tanjon'ny fampandrosoana lovain-jafy ODD andiany fahaenina, izay kasaina ho tratrarina amin'ny taona 2030... ♦ Nitokona nanomboka androany maraina ny mpiasan'ny kaominina andrenivohitra any Moramanga...
♦ Nofaritana ho 4,2% ny fiakaran'ny harin-karena faobe eto amintsika. Ezahina hotazomina 6,2% ny fisodrotan'ny vidim-piainana amin'ity taona 2021 ity... ♦ Hivoaka mandritra ny C.I.T na ny kaonferansa iraisam-pirenena momba ny asa, izay tanterahina amin'izao fotoana izao ny antontan-kevitra farany mikasika ny vahaolana na ny fandraisan'anjara nentin'ny OIT, manoloana ny fisian'ny Covid-19... ♦ Hanomboka ny fanamboaran-dalàna maromaro any amin'ny faritra atsimo atsinanana, isan'izany : Vangaindrano mankany Midongy atsimo, hatrany Befotaka...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco