Manjombona ary misaona ny Fiangonana Katôlika, nodimandry teo amin'ny faha-88 taonany, omaly alatsinainy maraina 21 avrily 2025, ny Papa François. Notsaboina nandritra ny 38 andro tao amin'ny Hopitaly Gemelli, noho ny aretin'ny taovam-pisefoana. Mirakitra ho tantaran'i Madagasikara, tsy ho hay adinoina ny famangian'ny Papa François tamin'ny taona 2019, izay nankaherezany ny vahoaka Malagasy hiady amin'ny kolikoly sy ireo endrika rehetra mampizarazara, manohitohina ny soatoavin'ny Fihavanana Malagasy. 12 taona izao no nitondran'ny Papa François ny Eglizy maneran-tany.

♦ Fivoahana makany amin'ny Faritra amin'izao ankatoky ny fetin'ny Paka izao, mahalasa fiara 140 isa isan'andro tato anatin'ny 3 andro izao ny toby fiantsonana Makis Andohatapenaka... ♦ Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana ataon'ny zandary amin'ireo lalam-pirenena mandritra izao faran'ny herinandro hakalazana ny fetin'ny Paka sy ny alatsinainin'ny Paka izao... ♦ Miezaka miala amin'ny fomba mahazatra isan'andro fotsiny ihany ny amin'ny fetin'ny Paka sy ny alatsinainin'ny Paka hoy ireo olona nanaovana fanadihadiana... ♦ Nitrangana loza nahatsiravina tao amin'ny Faritra avaratra-andrefan'i RDC, 143 no namoy ny ainy, noho ny fahamaizana seranan-tsambo...

♦ Tsy ekena ny fanakorontanana ataon'ny mpanohitra izay olom-bitsy, amin'ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny COI hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Mila fantatr'ireo mpizaika amin'ny fivorian'ny COI ny olona misy iainan'ny vahoaka hoy ny antoko TIM... ♦ Mametraka tanjona hamongotra andiam-balala amina velaran-tany 100.000Ha hatramin'ny 2028 ao amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana ny Ivon-toerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara... ♦ Harenina manontolo y toby famokarana rano eny Mandroseza-I hitombo 40.000m3 isan'andro ny rano vatsian'ny JIRAMA eny Mandroseza aorian'ny fanarenana...

• Nanamafy ny hanatanterahany ny hetsika ny avy amin'ny mpanohitra, manoloana ny fahatongavan'ireo vahiny hanatrika ny Fihaonana an-tampon'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana... • Handray fepetra manokana ny mpitandro ny filaminana, mandritra ireo hetsika lehibe eto amin'ny firenena ny 23 sy 24 avrily 2025, araka ny tinapaky ny EMMONAT... • Tsy maintsy ho vita mialoha ny volana aogositra 2026, araka ny fe-potoana voafaritry ny lalana, ny fifidianana eo anivon'ny UCTU, hoy ny filohany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...