♦ Natomboka androany ny fanaovam-bakisiny fanefitry ny Coronavirus eto Madagasikara. Natao vakisiny Covidshield voalohany teny amin'ny HJRA ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Nitombo fito indray ireo marary lavon'ny Covid-19, dimampolo amby zato kosa ireo tranga vaovao hita tamin'ireo natao fitiliana, raha ny tarehimarika navoakan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka androany...

♦ Efa mihamihena ny isan'ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19, any amin'ny Prefecture Nosibe sy Antsiranana... ♦ Ho tonga miandalana ireo karazam-baksiny hafa ho fisorohana ny covid-19 fa tsy mbola nambara ny daty hatongavan'izany... ♦ Hiatrika ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ity taona ity ny fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara manomboka anio Alatsinainy 10 Mey... 

♦ Hanomboka anio alatsinainy 10 mey ny fanaovana vakisinin'ny Covid-19 eto Madagasikara. Ny 3%-n'ireo vondrona marefo na tena hatahorana aloha no hahazo izany amin'izao andiany voalohany izao, ka daozim-bakisiny 250.000 no tonga teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, hanatanterahana izany, tamin'ny sabotsy maraina teo...

♦ Nihemotra ho rahampitso ny fahatongavan'ireo daozim-bakisiny andiany voalohany, hiadiana amin'ny Coronavirus eto amintsika. Vakisiny 250.000 no tokony ho tonga amin'izao andiany voalohany izao... ♦ Efa nihoatra ny 700 nanomboka androany ireo matin'ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara. Niampy 304 ihany koa ireo tranga vaovao hita tamin'ireo fitiliana, raha ny antontan'isa nivoaka androany...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...