♦ Haharitra 18 ireo dingana fakàn-kevitra amin'ny dinika fanavaozam-pirenena mialohan'ny fandravonana, araka ny volavolan-kevitra naroson'ny FFKM... ♦ Mandrahona hiroso amin'ny fitokonana faobe ny mpiasan'ny Madarail rahampitso. Nilaza ho tsy afa-po tamin'ny famaliana ny fitakiany izy ireo tamin'ny fihaonana tamin'ny Ministeran'ny Fitanterana omaly... ♦ Efa nisy ny tamboho nirodana amin'ny toerana avo ao an-drenivohitra, vokatry ny orambe nisesisesy tato ho ato. Miantso ny rehetra ho mailo ny kaominina Antananarivo amin'izao fahavaratra izao... ♦ Nilaza ny filohan'i RDC omaly fa tsy nohajain'i Rwanda sahady ny fifanarahana fampitsaharana ady...

♦ Miantso ny mponina samy ho mailo manoloana ny rotsak'orana nisesisesy tato ho ato ny tompon'andraikitra ao amin'ny kaominina Antananarivo-renivohitra. Efa nisy mantsy hoy izy ireo ny tamboho nirodana tamin'ny faritra avo. Efa nisy koa ireo nazera... ♦ Tsy voahaja ny fifanarahana ara-tsosialy niarahan'ny orinasa mpitrandraka fasimainty ao Taolagnaro sy ny Fanjakàna hoy ny vovonan'ny firaisamonim-pirenena any amin'ny Faritra Anosy... ♦ Tsy nahafapo ny mpiasan'ny orinasa Madarail ny fihaonan'izy ireo tamin'ny solontenan'ny Ministeran'ny Fitanterana sy ny famantarana ny toetr'andro. Hiroso amin'ny fitokonana faobe ireo mpiasa...

♦ Hosokafana amin'ny fomba ôfisialy ny alarobia 10 desambra izao, raha tsy misy ny fiovàna ny dinika ho fanavaoazam-pirenena, karakarain'ny FFKM. Fampivondronana ny olona rehetra tsy ankanavaka ho fanangonan-kevitra no iraka nankinina amin'ny FFKM... ♦ Tonga nanatitra vata mpanova herinaratra (transformateur) miisa 28 ho an'ny orinasa JIRAMA eny Antanetibe-Ilafy, ny sabotsy 6 desambra teo ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Randrianirina Michaël sy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Tsy miankina amin'ny fiovam-pitondrana teto Madagasikara ny tetik'asa tanterahan'ny FID tahirim-bola ho an'ny fambandrosoana...

♦ Eglizy mitondra ny anaran'i Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra, no tsangambaton'ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diôsezin'Antananarivo, izay notsofin-drano nadritry ny fivahinianana Masina nataon'ny Kristiana teo Ampahateza-Ambohipo, omaly... ♦ Mitaky ny hisamborana sy hanaovana fanadihadiana an'ireo olona tratra nangalatra vy tao amin'ny orinasa SUCOMA Analaiva-Morondava ny Evekan'i Morondava Mgr Maria Fabien Raharilamboniaina... ♦ Mpiasa miisa 7 amina orinasa iray mpamokatra toaka no nahiditra am-ponja vonjimaika tsy ara-drariny eny Antanimroa, efa ho 4 volana izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...