♦ Mila fahamailona ny fanovàna ny endriky ny diplômasian'i Madagasikara amin'izao hoy Andriamatoa Elia Rabevahiny. Nambaran'ity mpanao pôlitika ity fa ifandrombahan'ireo firenena matanjaka hakàna tombontsoa isika... ♦ Hisy ny fivarotan'ny Fanjakàna finday sy solosaina amin'ny vidiny mirary. Finday maherin'ny 600.000 no hamidy hanombohana izany ka hanaovana andrana ny Oniversite Antananarivo sy ny any Fianarantsoa... ♦ Namaly  ireo Gen-Z ao anatin'ny Fiteva nanao fanambaràn teny Tsiadana ny filoha Nasiônalin'ny Fikambanana. Nambarany fa kajikajy politika sy fikatsahana tombontsoa manokana no ataon'izy ireo...

♦ Hahemotra amin'ny taona 2027 ny JMJ Mada andiany faha-11 horaisin'ny tanànan'i Toamasina. Namoaka hafatra ho an'ny tanora mifandraika amin'izany ny fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny faran'ny herinandro teo... ♦ Namoahan'ny PAC Antananarivo didy fampisamborana iraisam-pirenena hafa indray Andriamatoa Mamy Ravatomanga, noho ny raharaha fanondrànana letchi. Olona 7 hafa ihany koa namoahan'ny Fitsaràna didy... ♦ Navaozina ny fifanarahana hitantanan'ny mpanazatra Corentin Martins ny Barean'i Madagasikara. Vita sonia ny sabotsy teo ny fifanaraham-piaraha-miasa herin-taona tsy azo havaozina momba izany...

Notendren’ny Papa Léon XIV ho Evekan’ny Diosezin’i Port-Victoria, Seychelles i P. Rasamison Landry Phillippe, taorian’ny nankatoavin’ny Ray masina ny fangatahan’i Mgr Alain Havel hitsahatra amin’ny asany amin’io Diosezy io.

♦ Hahemotra amin'ny taona 2027 ny JMJ any Toamasina saika hotanterahana amin'ity taona ity. Fanapahan-kevitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara manoloana ny voina nateraky ny rivodoza Gezani... ♦ Nigadona an-tanindrazana ny delegasiôna malagasy notarihan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika tany Rosia. Fahombiazana ny dia natao tany araka ny fanazan'ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Mbola manamafy hatrany ny météo malagasy fa ho betsaka ny rotsak'orana eto amin'ny Faritra Analamanga anio. Hiseho any Tsaratanàna, Andilamena ary Amparafaravola izany rahampitso...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...