♦ Manaraka akaiky ny fivoaran'ny toe-draharaha eto Madagasikara ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena. Zava-dehibe, hoy izy ireo, ny fanajana ny Lalam-panorenana sy ny tetiandrom-pifidianana... ♦ Nanao jery todika ny asa vitany nandritra ny folo taona ny fandaharan'asa FORMAPROD eto Analamanga. Nakatona androany ny sehatr'asa ho an'ny eto Analamanga... ♦ Manofana ireo mpitandro ny filaminana sy ireo mpandraharahan'ny fonja, ny Sekolim-pirenena ho an'ny fitantanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara, na ny ENAM eny Androhibe sy ny Minisiteran'ny Fitsarana...

♦ Milaza ho manana depiote maro an'isa efa nitsipaka ny Governemanta ireo solombavambahoaka manentana ny fandaharana "Angaredona" izay mandeha amina haino aman-jery maromaro eto Antananarivo nanomboka ny maraina teo... ♦ Miverina indray ny fanotofana tany amin'ny toerana maro eto Antananarivo amin'izao, na teo aza ilay didim-panjakàna mampiato izany. Namerina nampahatsiahy ny tompon'andraikitra fa hogiazana ireo fitaovana tratra manao izany manomboka izao... ♦ Olona miisa 5 no maty vokatry ny filentehan'ny lakana nitondra olona miisa 12, tany Betania-Morondava omaly, vokatry ny haavon'ny onjan-dranomasina. Mbola nampitandrina momba ny alondrano amin'ny morontsiraka ny Météo...

♦ Fiaraha-monim-pirenena 41 indray no nanao fanambaràna miaraka omaly, fa tsy manaraka ny Lalam-panorenana ny fanapahan'ny HCC, izay nanome fahefana ny Governemanta ifarimbonana hitantana ny firenena... ♦ Kandidà roa amin'ireo 13 isa ihany no nandefa solontena nihaona tamin'ireo mpikamban'ny CENI teny Alarobia, omaly, momba ny fiomanana mankany amin'ny fifidianana. Tsy miteraka olana amin'ny fomba fiasa izany hoy ny teo anivon'ny CENI... ♦ Tsy mbola niverina ny fampianarana eny amin'ny Anjerimanontolo Ankatso omaly, izay fotoana voatondro hiverenan'izany, araka ny fanapahan-kevitry ny filan-kevitra siantifika. Nihemotra amin'ny herinandro indray izany, raha ny hita teny an-toerana...

♦ Natomboka androany ny fihaonana voalohany teo amin'ireo solontenan'ireo kandidà ho Filoham-pirenena, miaraka amin'ireo Mpikambana Maharitra eo anivon'ny CENI. Tsy nisy afa-tsy solontena roa no namaly ny antso... ♦ Namoaka fanambarana indray ny firahahamonim-pirenena Rohy, ary nilaza fa tsy maintsy miverina amin'ny fanapahan-keviny, mametraka ny Filohan'ny Antenimieran-doholona ho Filohan'ny Repoblika ny HCC... ♦ Mbola tsy niverina, amin'ny ankapobeny, ny fampianarana teny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, raha ny fanadihadiana natao teny Ankatso androany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...