♦ Ho raisin'ny foloalindahy fiadidiana iombonana ho an'ny fanavaozana ny fitantanana ny firenena, ho ravana avokoa ireo andrim-panjakàna rehetra... ♦ Nolanian'ny solombavambahoaka teny amin'ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny fampihatoana ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina amin'ny asany... ♦ Namoaka fanapahana ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, manoloana ny fahabangàn'ny toeran'ny filohan'ny repoblika sy ny filohan'ny antenimieran-doholona, manendry ny Kôlônely Randrianirina Mickael ho filoham-panjakàna... 

♦ Andrasana na ho raikitra anio na tsia ny fivoriana hanongànana ny filoham-pirenena eny Tsimbazaza. Solombavambahoaka maromaro no efa vonona eny an-toerana, hiatrika izay "déchéance" izay... ♦ Misy amin'ireo gadra pôlitika nahazo famafan-tsazy avy amin'ny filoham-pirenena no efa nivoaka ny fonja, alina. Efa naneho hevitra momba ny fanenjehina azy ny mpanao gazety Fernand Cello ny maraina teo... ♦ Isaina sy harakitra anaty lisitra manomboka izao ireo fitaovam-panjakàna, araka ny fanambarana avy amin'ny Primatiora. Sorohana ny fanararaotana na fakàna tombontsoa manokana amin'izao toe-draharaha eto amin'ny firenena izao...

♦ Tsy nametra-pialàna, araky ny andrasan'ny mpitolona eny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nilaza ny manao "mission" any ivelany izy, araka ny kabary nataony, alina... ♦ Nanangon-tsonia hanongànana ny filoham-pirenena eny amin'ny Antenimieram-pirenena ireo solombavambahoaka sasany. Andrasana ny mety zava-misy eny Tsimbazaza anio... ♦ Nakatson'ny SSM nanomboka omaly ny asam-panjakàna amin'ireo Ministera maro ao an-drenivohitra. ny 80% amin'ireo ministera sy sampan-draharaham-panjakàna no efa manatevina ny tolom-bahoaka hoy ireo mpitarika sendikà...

• Misy andia-miaramila mirongo fitaovam-piadiana manambana haka ny fitantanana ny haino aman-jerim-panjakana ny hariva teo, hoy ny Fiadidiana ny Repoblika... • Miisa valo ireo ampahany amin'ny gadra politika nahazo famafan-tsazy faobe, araka ny didim-panjakana voasonian'ny Filohan'ny Repoblika... • Mbola nitohy sy nifanindran-dalana tamin'ny hetsika teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey androany, ny fanambarana samihafa avy amin'ny sendika sy antoko politika...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...