♦ Nahemotra amin'ny voalohan'ny volana aogositra, raha tokony natao androany teny Anosy, ny fitsarana ny raharaha fifidianana ben'ny tanàna tany Toliara-I. Tsy tonga niatrika ny raharaha Andriamatoa Rabehaja Jean, ben'ny tanàna ao Toliara... ♦ Hangataka fihaonana amin'ny ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra sy hampahafantatra ny fijoroan'izy ireo eo anatrehan'ny mpanolontsainan'ny tanàna ny Observatoire Mahitsy Fijery... ♦ Nandrombaka medaly sady, ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika, taranja karate, tanterahina any Nigeria. Fifaninana iraisam-pirenena tanterahina any Abuja, nanomboka androany ka hatramin'ny 28 jolay izao...

♦ Hifarana anio tolak'andro amin'ny alalan'ny adina an-tsoratra amin'ny taranja ara-panatanjahantena ny fanadinam-panjakàna bakalôrea ankapobeny. Mbola hitohy amin'ny herinandro ho an'ireo mpiadina bakalôrea teknika... ♦ Maimaimpoana ny fisoratana anarana ho an'ireo mpianatra amin'ireo toeram-pampianarana miankina amin'ny Fanjakàna hoy ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena... ♦ Hisokatra ho an'ny mpampiasa lalana manomboka ny fiandohan'ny volana aogositra izao ny ampahany farany amin'ilay lalana "Voie rapide". Manomboka ety amin'ny Don Bosco Ivato hatrany Andranotapahina, izay mirefy 4km...

♦ Disadisa efa nihotrika teo amin'ny samy fianakaviana no nitarika ilay fety nitera-doza teny amin'ny sampanana Hihazo an'i Imerinkasinina-Ambohimalaza. Datura sy Belladone ireo zava-maniry nampiasaina ka nahafaty sy namparary ireo nahinana ny sakafo... ♦ Handalo fitsarana eny Anosy anio ny raharaham-pitsarana momba ny fifidianana ben'ny tanàna tany Toliara-I. Tsy maintsy hanao tatitra amin'ny vahoaka amin'izany didy hivoaka izany ny kandidà sy ny mpiaradia aminy... ♦ Hampidirin'ny Kaominina Antananarivo ao anatin'ny rafitra manara-dalàna amin'izay ny taxi-moto, miasa amin'ny fitanteram-bahoaka ao an-drenivohitra...

♦ Nanao hetsika teny Anosy androany ireo manana ny maty, noho ny raharaha fanapoizinana teny Ambohimalaza. Mitaky ny hivoahan'ny marina momba ny poizina nahafaty ny havany izy ireo... ♦ Hatao rahampitso eny Anosy ny raharaham-pitsarana momba ny fifidianana ben'ny tanàna tany Toliara. Mitombona ny porofo napetraka hoy ny kandidàn'ny mpanohitra, Frérot l'homme noir, androany... ♦ Misy amin'ireo mpiadina no namarana tanteraka ny fanadinana Bakalôrea androany. Samy nanan'ny filazany momba ireo laza adina niadinana tamin'ny ankapobeny, izy ireo... ♦ Nianjera tany atsinanan'i Rosia androany maraina ny fiaramanidina Antonov, nitondra olona 49...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...