♦ Nanao fanambarana fiaraha-mientana hiatrehana ny fahamaizan'ny tsena Sabotsy-Antsirabe ny Evekan'Antsirabe Mgr Andriantsoavina Jean Pascal... ♦ Hitohy anio eny amin'ny Fitsaràna ambaratonga voalohany Anosy ny fihainoana ireo fianakavian'ireo maty nandritra ny raharaha Ambohimalaza. Izy ireo izay isany nametraka fitoriana an'i Fenohasina sy ny reniny... ♦ Nisy indray ny fihaonana niarahan'ny solontenan'ny mpiasan'ny JIRAMA sy ny Filoha Malagasy izay natao teny amin'ny Lapan'Ambohitsirohitra, omaly talata 22 jolay 2025... ♦ Niala tsy ho mpikambana eo anivon'ny UNESCO fanindroany indray ny Amerikanina rehefa niverina ho mpikambana 2 taona lasa izay...

• Mitaky ny hamoahana amin'ny fomba mangarahara ny valim-panadihadiana momba ny fanapoizinana ara-tsakafo nitranga tamin'ny faritra maro teto amin'ny nosy, ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena 400 isa. Miendrika fanodikondinana saim-bahoaka ny famoahana ny vaovao, hoy izy ireo... • Manara-maso akaiky ny fanadinana Bakalorea, ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Nampahatsiahiviny an'ireo lehiben'ny foibem-panadinana sy ireo mpampianatra mpanara-maso ny fanadinana, fa zava-dehibe ny fanarahana ireo toromarika efa nomena... • Tonga nankahery sy nametraka fandaminana ho an'ireo mpivarotra, ny teo anivon'ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe androany maraina, manoloana ny fahamaizan'ny tsena Sabotsy...

♦ Hitondra tatitra sy hanazava amin'ny vahoaka momba ny raharaha Ambohimalaza ny ministra tompon'andraikitra sy ny filoha ny alakamisy izao. Handeha mivantana amin'ny haino aman-jerim-panjakàna izany... ♦ Handray fepetra ny Ministera momba ny fihetsika ataon'ireo mpitsabo sasany eny anivon'ny hôpitalim-panjakàna. Hanazava ny momba izay eto ny Ministry ny fahasalamam-bahoaka amin'izao vaovao izao... ♦ Rava hatrany amin'ny 90% ny tsenanà Sabotsy-Antsirabe, raha ny tombana, vokatry ny fahamaizana, omaly hariva. Misy tamin'ireo mpivarotra no tsy nandroaka afatsy lavenona ny entam-barony, androany maraina...

♦ Teny amin'ny HJRA omaly hariva no natao fanadihadiana i Fenohasina tompom-pety, noho ilay raharaha Ambohimalaza. Tonga teny an-toerana naka am-bavany azy ny avy amin'ny Zandarimariam-pirenena sy ny Pôlisim-pirenena... ♦ Fianakaviana 10 manana havana maty na marary noho ny raharaha Ambohimalaza no nametraka fitoriana teny Fiadanana, omaly. Mitory ny tompom-pety tamin'iny loza niseho iny izy ireo... ♦ May ny ampahany betsaka tamin'ny tsena Sabotsy-Antsirabe omaly hariva. Ora vitsivitsy taorian'ny firehetana vao voafehy ny afo, rehefa nifanampian'ny mpamonjy voina sy ny mponina manodidina...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...