♦ Ministra miisa roa anatin'izao governemanta izao no nanao antso hampandaniana ny kandida-panjakàna ben'ny tanàna tao Mahajanga, miantso ny CENI handray andraikitra manoloana izany ny kandidàn'ny Firaisan-kina any an-toerana... ♦ Mivadika ho hetsika fanakorontanana ny fitakiana ataon'ny mpanjifa milaza ho leo "delestage" eto Antananarivo sy ny manodidina, tsy maintsy mandray andraikitra manoloana izany ny avy amin'ny mpitandro ny filaminana hoy ny ministra miandraikitra ny zandarimariam-pirenena... ♦ Nankatoavin'ny antenimieram-pirenena ny findramam-bola mitentina 31,5 tapitrisa dôlara amerikanina hanaovana ny tetik'asa Fly Over Makis, vinavinaina ho vita amin'ny taona 2028 ny asa...
♦ Nahavita ny fihaonana notanterahana teto Madagasikara ireo lehiben'ny fikamban'ny Salezianin'i Don Bosco manerana ny faritr'i Afrika sy Madagasiraka miaraka tamin'ireo solontena isaky ny Province... ♦ Nangataka herinandro indray hamahana ny olan'ny fahatapatapahan'ny herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina ny tale jeneralin'ny orinasa JIRAMA sy ny Ministry ny Angovo sy Akoran'afo... ♦ Nanao hetsika firaisan-kina teny amin'ny fitsaràna tampony Anosy omaly ny sendikan'ny mpitsara, taraiky noho izany ny fanombohan'ny raharaham-pitsaràna ho an'ireo nanan-draharaha... ♦ Mitarika vonjimaika tamin'ny fifidianana filoham-pirenena Amerikanina ny kandidàn'ny repoblikanina Donald Trump...
♦ Nahavita ny fihaonana notanterahana teto Madagasikara ireo lehiben'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco manerana ny Faritr'i Afrika sy Madagasikara, miaraka amin'ireo solontena isaky ny Province... ♦ Hihena hatrany amin'ny 80% ny delestazy ho an'Antananarivo sy ny manodidina, hoy ny Tale Jeneralin'ny Jirala androany. Ankoatra ny tsy fahampian'ny rano ao Andekaleka dia nanampy trotraka ny tsy fahampian'ny menaka mavesatra avy any Toamasina... ♦ Nanatanteraka hetsika ho firaisan-kina manoloana ny zava-nanjo ny namany, ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara...
♦ Nandeha tamin'ny ampahany ny asam-pitsaràna teny Anosy ny maraina teo, nandritra ny hetsiky ny SMM. Hihaona amin'ireo tompon'andraikitra ambony ny fitakiana ireo mpitsara... ♦ Tokony hitandrina ny filoha amin'ny teny lazainy amin'ny vahoaka, manoloana ny olan'ny jiro sy rano ankehitriny hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena iray... ♦ Manomboka midina ny fari-pahaizan'ny mpianatra, noho ny delestazy misy amin'izao, hoy ireo mpampianatra. Maro ireo tsy miana-desona sy tsy mahavita enti-mody, noho ny tsy fisian-jiro amin'ny hariva... ♦ Sarona ny tambajotra mpanodikodina volam-panjakàna any Burkina-Faso. Mpiasa maro anivon'ny ministeran'ny asa any an-toerana no efa nosamborina sy natao fanadihadiana...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco