♦ Mitaraina ho misy mpandrahona ho faty ilay mpanao gazety vahiny Gaella Borgia, iraky ny fahitalavitra TV5-Monde eto Madagasikara. Namoaka fampitam-baovao mifandraika amin'izany koa ny RSF eto Madagasikara... ♦ Manantena fihatsaràn'ny karaman'ny mpiasa mitovy amin'ireo firenena ao anatin'ny SADC ny Sendikà Fisemare amin'izao hitantanantsika ity vondrona ara-toe-karena ity izao... ♦ Efa niverina amin'ny laoniny ny fitanteran'olona amin'ny Teleferika ny maraina teo, raha niato izany. Nisy antony ny fiatoana omaly, hoy ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana...
♦ Nosokafana omaly ny 8km vita amin'ny lalam-be migodàna mankany Toamasina. Nahazo famatsiam-bola fanampiny avy amin'ny mpamatsy vola ny fanohizana ny fanamboarana hoy ny filoham-pirenena omaly... ♦ Misy ny fivoriamben'ireo fiaraha-monim-pirenena eo anivon'ny SADC, eto Antananarivo, taorian'ny fihaonana an-tampon'ity vondrona ity, ny alahady teo. Mpikamban'ny firaisamonim-pirenena maro aty atsimon'i Afrika no mandray anjara amin'izany... ♦ Efa kely amin'izao ny tahirin-drano any amin'ny farihin'ny Tsiazompaniry, hanondrahana ny lemak'Antananarivo. Tokony ho ampy hiomanana amin'ny fotoam-pambolena anefa izany, hoy ny APIPA...
• Notokanana androany ny ampahany voalohany amin'ny lalambe migodana, mampitohy an'Antananarivo sy Toamasinana, mirefy 8 kilometatra. Hihena ny fotoana hanaovana ny halaviran-dalana rehefa vita tanteraka ny fotodrafitrasa hoy ny Filoham-pirenena androany... • Tanterahana eto Antananarivo mandritra ny dimy andro ny fihaonambe na ny Forum an'ny firaisamonim-pirenena ao amin'ny SADC. Fihaonana mifanindran-dalana amin'ny Fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 natao teto amintsika... • Nanomboka androany ary hitohy rahampitso ny fiofanana ho an'ny mpikatroka ao amin'ny Malagasy Karaté Do na ny MAKA. Fiofanana atao eny amin'ny kianja mitafo Ankorondrano...
♦ Handresy lahatra ny Amerikana amin'ny fandaharan'asan'ny AGOA ny filoha Malagasy, izay nanomboka nandray ny fitantanana ny SADC omaly. Nanazava izay ny filoham-pirenena omaly... ♦ Tsy maintsy hitohy sy hivoatra amin'izay ny raharaha Boeing 777, taorian'ny fihaonana an-tampon'ny SADC iny-, hoy Andriamatoa Tabera Randriamanantsoa... ♦ Nahazo "homologation" amin'ny ampahany ny Kianjan'i Mahamasina. Nilaza ny filohan'ny Federasiônafa efa tonga ny milina hikojakojàna ny kianjan'i Mahamasina, ka hisy ny resaka manokana hatao amin'ny CAF, ahazoantsika fankatoavana feno... ♦ Hihaona any Washington anio ny filoha amerikàna sy Okraniana momba an'i Ukraine...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco