♦ Tsy faly tamin'ny fanitsiana sy ny fanasaziana azy noho ny tsy fanarahan-dalàna ny zandary iray mpiana-draharaha tany Beroroha ka nitifitra ny lehibeny. Maty vokatr'izany ny Kapiteny Franck Muller. Maty nitifi-tena ihany koa ilay zandary mpiana-draharaha... ♦ Manana paik'ady amin'ny fanamboarana toeram-pamonjana vaovao ny tompon'andraikitry ny Fonja eto Madagasikara hampihenana ny fivangongon'ny voafonja misy ankehitriny... ♦ Namoaka voka-pikarohana nataony nandritra ny 35 taona momba ny eny ambanivohitra ny mpampianatra mpikaroka, Hugues Rajaonson. Resahana anatin'izany ny pôlitika hahalasa ho mpandraharaha ny tantsaha mpamokatra...
♦ Hoampiasaina avokoa ireo foibe famokarana herinaratra ao Ambohimanambola na dia mandany volabe aza izany hoy ny Filoham-pirenena raha nitsidika teny an-toerana izy omaly. Hamahana ny olan'ny delestazy amin'izao fotoana izao no tanjona... ♦ Fototra mahafaty momoka ny tolom-bahoaka teto Madagasikara ny tsy fanajàn'ny mpanao pôlitika ny hetaheta sy ny safidim-bahoaka hoy Profesora Ralison Roger. Manampy trotraka ny fitsabahan'ny any ivelany ny raharaham-pirenena... ♦ Miantraika lalina any amin'ny ankizy eto Madagasikara ny vokatry ny fiovan'ny toetr'andro, izay miteraka rivo-doza mahery vaika sy hain-tany any amin'ny faritra samihafa... ♦ Manantena ny hiaton'ny ady mialohan'ny 5 novambra izao ny PM any Liban...
♦ Ahena hatrany amin'ny 80% ny délestage eto Madagasikara ato anatin'ny fotoana fohy, ary ho foana tanteraka izany amin'ny taona ho avy, hoy ny Filohan'ny Repoblika, androany... ♦ Miantraika lalina amin'ny ankizy eto Madagasikara ny vokatry ny fiovan'ny toetr'andro, izay miteraka rivodoza mahery vaika, sy hain-tany any amin'ny faritra samihafa eto amintsika... ♦ Malaina mametraka ny mangarahara amin'ny teti-bolam-panjakana ny tompon'andraikitra misahana izany eto amintsika, hoy ny Rohy...
♦ Ahiana hihitatra any amin'ny fipoahana ara-tsôsialy ny hetsika mifanesisesy izay hanehoan'ireo mpanjifa ny tsy fisitrahana jiro sy rano avy amin'ny JIRAMA hoy ny mpandinika fiaraha-monina... ♦ Andrasana ny hahatongavan'ny volavolan-dalàna hifehy ny teti-bolam-panjakàna 2025 eny amin'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna... ♦ Renim-pianakaviana iray mpivarotra no maty notifirin'ny jiolahy omaly tao Toamasina... ♦ Tafakatra 30 isa ireo mpilatsaka an-tsitrapo namoy ny ainy noho ny fanatontosany ny andraikiny any amin'ny tany miady hatramin'ny niandohan'ity taona ity...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco