♦ Handray ny La Croix-ny JMJ Mada sy ny Icône an'i Masina Maria anio ny tanora any amin'ny Diôsezin'i Toamasina. Toamasina izay handray ny JMJ Mada andiany faha-11 ny volana aogositra 2026... ♦ Hivory etsy amin'ny CCI Ivato anio ny Troikan'ny SADC, ahitana ny filoha Zimbabweana, filoha amperin'asan'ny SADC, ny filoha Malagasy handray ny fitantanana hanomboka anio ary ny filohan'i Angôla, filoha nitantana ny SADC teo aloha... ♦ Misokatra ho an'ny be sy ny maro nanomboka androany ny fitanterana amin'ny alalan'ny tariby "Teleferika". Nitokana tamin'ny fomba ôfisialy ny foto-drafitr'asa teny Ivandry omaly ny filoham-pirenena Rajoelina Andry...

• Tokony hijeren'ny fitondrana malagasy vahaolana ao anatin'ny fitantanana ny SADC ny sosialim-bahoaka, hoy ny Filoha Nasionalin'ny Vehivavy MFM... • Hisokatra ho an'ny besonimaro manomboka rahampitso ny toerana irasam-pirenena momba ny asa tanana “ENARA Galeria” etsy amin'ny Lac Iarivo. Nitokana izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androany... • Hanomboka hitatitra olona ny “téléphérique” ny sabotsy izao. Voafetra ihany anefa ny halaviran-dalana, fa mbola karazana fanazarana ny vahoaka aloha no atao amin'izao, hoy ny fanazavan'ny tompon'andraikitra...

♦ Misokatra azon'ny rehetra tsidihina nanomboka androany ny Sehatra Fampirantiana Iraisam-pirenena ENIRA Lac Iarivo Ivato. Trano heva 300 mahery no mampiranty ny asa tanana sy ny vokatry ny Fambolena Malagasy. Nanokatra izany ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina... ♦ Mahazo vahana amin'ny kaominina miisa roa ao amin'ny Distrika Soavinandriana-Itasy ny ady tany sy ny fandravana trano hoy ny filohan'ny FIVATO Randimbielson William... ♦ Tokony atevenina afaka miatrika ny fiakaran'ny vidim-piainana sy ny tsy fananan'asa ny politika ara-toekarena ankapobeny eto Madagasikara hoy ny Profesora Ralison Roger...

♦ Handoavam-bola amin'ny fotoana mahamety azy ny lalam-baovao mampitohy an'Andranotapahana sy Ivato nisokatra tamin'ity herinandro ity. Mbola misokatra ho an'ny be sy maro nefa ny lalana mandra-pahatongan'izay fotoana izay hoy ny Ministry ny asa vaventy... ♦ Manohana Faritra miisa telo momba ny fampandrosoana maharitra ny fandaharan'asa PADDI GIZ. Manatsara ny fidiram-bolan'ny mponina manodidina ny faritra arovana koa ny fandaharan'asa... ♦ Any amin'ny laharana fahatelo ao amin'ny vondrona misy azy ny Barean'i Madagasikara mandray anjara amin'ny CHAN 2025. Nandresy an'i Centre Afrique tamin'ny isa 2 noho no aotra, ny malagasy omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...