♦ Nampanantsoina teto Madagasikara ny masoivoho Malagasy atsy amin'ny nosy Maorisy, noho ny raharaha Mamy Ravatomanga. Tsy marina ny filazàna ny amin'ny fametrahany fialàna hoy Andriamato Camille Vital, omaly... ♦ Nahery vaika indray ny hetsi-bahoaka fitakiana fanesorana Ben'ny Tanàna tato ho ato. Nametra-pialàna vokatr'izay hetsi-pitakiana izay omaly, ny Ben'ny Tanàna an'Ambalavao, Distrika Atsimondrano... ♦ Misy lasa mivadika fampanaovana asa mamoafady ny sasany amin'ireny orinasa manao "Call Center" eto Antananarivo ireny amin'izao. Mpiasa vitsivitsy no sahy nijoro vavolombelona tamin'izany...
• Nampanantsoin'ny fanjakana eto an-toerana, momba ny raharaha Mamy Ravatomanga, ny Masoivohon'i Madagasikara atsy Maurice. Nodisoin'Andriamatoa Camille Vital ny filazana fa nametra-pialana izy... • Nisy andian'olona nanao fihetsiketsehana indray teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey androany. Nilanja sora-baventy milaza ho tsy mila ny fanoloana ny Ben'ny Tananan'Antananarivo ho PDS, izy ireo... • Nidina an-dalambe sy nanao hetsika teny anoloanan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany, ireo mpianatry ny Sekolim-panjakana sasany ao an-drenivohitra. Nitaky ny hiverenan'ny fampianarana izy ireo...
♦ Nidina an-dalambe teny Analakely sy Anosy ireo ampahany amin'ny mpianatra amin'ireo sekolim-panjakàna ao an-drenivohitra mitaky ny hiverenan'ny fampianarana... ♦ Naharaisana vaovao sy akony ny zava-misy any amin'ny Oniversiten'Antsiranana... ♦ Mbola betsaka ireo orinasa eto Madagasikara no tsy mandoa ny latsak'evmoky ny mpiasa tokony harotsaka any amin'ny CNaPs, ho fitsinjovana ny fisotron-dronono... ♦ Tafakatra 20 farafahakeliny ny isan'ireo namoy ny ainy vokatry ny horohorontany nitranga tany avaratr'i Afghanistan, tamin'ny alina...
♦ Nandray ireo solontenam-panjakàna tonga nanao fitsidihana tany Antsiranana omaly ireo andian'olona nanao fihetsiketsehana... ♦ Mizarazara ny hevitry ny mpampianatra sy ny sekoly manoloana ny toro-marika nomen'ny ministry ny fanabeazam-pirenena amin'ny hiverenan'ny fampianarana anio alatsinainy... ♦ Handraisana fepetra hentitra avokoa ireo rehetra nanao fanotorana tany, nanomboka ny taona 2022 nivoahan'ny didim-panjakàna mandrara izany...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco