• Nampahafantarina androany, ireo mpikambana vaovao eo anivon'ny Filankevitry ny Mariboninahi-pirenena... • Nanome toromarika hentitra ho an'ireo zandary mandrafitra ny vondrona manokana miady amin'ny asan-dahalo andiany faha-37, ny Lefitry ny Kaomandin'ny FIGN, androany... • Handalo eny anivon'ny Mpanara-maso ny asa, ny olana misy eo amin'ny mpitantana ny Kaominina Ivato sy ireo mpiasa milaza ho voaroaka...

• Niditra an-tanety tao Mozambika ny maraina teo ilay rivodoza Jude, raha ny fampitam-baovao avy amin'ny Météo... • Efa firosoana tsikelikely mankany amin'ny jadona ny filazan'ny mpitondra fa : “hofongorana ny mpanohitra”, raha ny nambaran'ny Solombavam-bahoka Ramilison Nomenjanahary... • Tsy nandefasana filazana, ary tsy mahafantatra momba ilay fandravana trano teny amin'ny Kaominina Anosiala, Distrikan'Ambohidratrimo, ny zoma 7 marsa 2025, ny Ben'ny Tanana eny an-toerana...

• Manao antso avo amin'ny hamoahana ny tena marina, momba ny raharaha Rasazy Narindra, ny fianakaviany... • Dingana manaraka hataon'ny ARFM, ny hametraka Vovonana Foibe Nasionaly iray, mba hikambanan'ny ray aman-dreny rehetra eto amin'ny firenena... • Hanao fanazaran-tena ara-tafika miaraka i Iran, i Rosia ary i Chine anio, any amin'ny fari-dranomasin'i Iran...

  • Efa nivoaka an-dranomasina ilay andro ratsy izay nitety ny tapany avaratry ny nosy. Hitohy ny rotsak'orana indrindra ny ilany afovoany-atsinanan'ny nosy hoy ny Météo...
  • Makotroka ny ivon'ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy ao Mahajanga ao. Naharaisana akony izany...
  • Voarohirohy tamin'ilay fitifirana an-dRasazy Narindra, ben'ny tanàna tao Mangataboahangy ny anadahiny. Nadoboka am-ponja niaraka tamin'ireo olona 16 hafa izy, omaly...
  • Manomboka mamaha ny olan'ny fandaharan'asa nokleary iranianina ny filoha amerikanina Donald Trump. Fifampiraharahana na fidirana an-tsehatra ara-miaramila no vahaolana hoy izy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...