7 febroary 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 14-23)
Mbola hamoa izy amin'ny fahanterany ; andian-teny miteraka fanantenana ho an'ny tanora sy ireo miara-miaina amin'ny zokiolona... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
6 febroary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-13)
Mirongatra ny fandraisan'ny tanora na ny olon-dehibe ny zava-mahadomelina ankehitriny. Tanjontsika ny hanampy ny tanora sy ny ray aman-dreny hisorohana ny fandraisana zava-mahadomelina. Maro ny antony mandrisika ny olona handray zava-mahadomelina, isan'ireny ny fitadiavana fahafinaretana, fanalana tahotra... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco