02 mey — I Md Athanase resahina eto dia ilay Mpampianatry ny Fiangonana. Teraka tao Alexandrie ny 296 izy, nobehazina sy nampianarin’ny fianakaviany araka izay tratra, ary tsy niala tao an-tranon-drainy izy raha tsy efa ho any amin’ny tempolin’ny Tompo, hobeazin’ny eveka tao Alexandrie.

Miohatra amin'ny zava-misy maneran-tany dia fankatahaka ny Papa François tamin'ny fampisongadinana ny fifanajàna sy ny finiavana hametraka fomba fiainana mitory fanetretena. Mba ho fampandrosoana ny firenena dia tsara kokoa ny hanomezana toerana ny fifampiresahana, ny finiavana, ny firaisankina ; fanararaotra hampisongadinana ireo ny fanohizana ny fangatahana ny fampiharana ny efa tapaky ny firenena mikambana momba ireo Nosy manodidina Malagasy... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

01 mey — Masindahy Joseph mpiasa, Masindahy Joseph mpandrafitra, tsy iza akory io fa ilay Masindahy Joseph mpitaiza an’i Jesoa tao Nazareta, izay efa noresahantsika teto tamin’ny 19 marsa. Fa ny voalohan’ny volana mey dia nankalazaina sy natokana ho azy, fa natokana ho an’ny mpiasa ihany koa, noho ity olomasina ity mpiaro ny mpiasa maneran-tany.

♦ Miverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo, fahatapahana maharitra ora roa eo hoy ny JIRAMA. An-tapitrisany maro anefa ny faty antoka hateraky ny tsy fisian'ny herinaratra ora vitsy fotsiny hoy ny antoko MAEVA... ♦ Fako plastika milanja 19 taonina isa-minitra no misy manary any an-dranomsina, hihatsona ao Toamasina mandritra ny tapa-bolana hanomboka anio 30 avrily ny sambo masoivohan'ny ady atao amin'ny fiparitahan'ny fako plastika any an-dranomasina... ♦ Niampy iray ny haren-tsaina momba ny tantaran'i Madagasikara tamin'ny famoahan'Andriamatoa Imbiky Anaclet ny boky "histoire de l'île sainte Marie..."...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...